• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC : Malagasy ny 1,4 tapitrisa no mila fanampiana maika, noho ny El Niño

20/05/2024 16:53 © Moov.Mg

Nanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana, androany, ireo firenena mivondrona ao anatin’ny SADC. Niompana indrindra tamin’ny fiantraikan’ilay tranga ara-toetr’andro El Niño ny dinika nifanaovana.

Firenena traboina

Niainga tamin’ny antso nataon’ireo firenena mikambana ao anatin’ny SADC, izay miaina ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ity fivoriana nampitain-davitra tsy ara-potoana androany ity. Nitarika izany i João Lourenço, filohan’ny Repoblikan’i Angola sady filohan’ny Vovonan’ny SADC amin’izao fotoana izao. Isan’ireo firenena voalohany mizaka ny voka-dratsin’ny El Niño i Madagasikara, izay nanao fanambarana ny maha-firenena traboina azy, tamin’ny 3 aprily 2024 teo, taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza Gamane. Niaraka tamin’izany dia niantso ny fanohanan’ireo firenena rehetra izay afaka manampy ihany koa i Madagasikara, mba hahafahana miarina taorin’izany loza voajanahary izany. Araka ny fantatra dia olona miisa 61,7 tapitrisa no voakasik’ilay tranga El niño amin’ny faritra iasan’ny SADC, ka tratran’ny olan’ny tsifanjariantsakafo. 57 tapitrisa amin’ireo no miandrandra fanampiana maika, ka Malagasy ny 1,4 tapitrisa.

Antso fanampiana

Sehatra maro no misedra olana, vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro, toy ny fambolena sy ny fiompiana, ny fandriampahalemana, ny fahasalamana, ny rano sns… Samy nodinihina tsirairay nandritra ity fivorian’ny SADC ity avokoa izany, mba hitadiavana vahaolana fohy ezaka, antonony ary lavitra ezaka. Isan’ny nivoitra ny fanamafisana ny ezaka iaraha-manao, amin’ny alalan’ny tetikasa iarahan’ny firenena ao anatin’ny SADC manatanteraka. Nanao antso ôfisialy ny amin’ny tokony hanampiana ireo firenena misedra ny voka-dratsin’ny tranga El niño ny SADC nandritra ity fivoriana ity. Araka ny tombana mantsy dia any ho any amin’ny 5 miliara amin’ny vola dôlara no ilaina, ho fanohanana ireo firenena voakasika, aty amin’ny faritra SADC, ka ny 108 tapitrisa dôlara amin’io no ilain’i Madagasikara.

Marihina fa nisolo tena ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ity fihaonana ity, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika.

Lire la suite

Articles Similaires