• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Andron’ny Mozea : Nahatratra 3 078 ireo mpianatra nitsidika ny Rovan’i Madagasikara

20/05/2024 10:39 © Moov.Mg

Nahasarika ankizy sy tanora mpianatra maro ny nitsidika ireo tranom-bakoka eto Madagasikara, nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Mozea, ny 18 mey lasa teo.

Maimaim-poana

Nosokafana maimaimpoana ho an'ireo mpianatra ireo mozea eo ambany fitantanan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny sabotsy 18 mey teo, fotoana nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny mozea. Raha ny antontan'isa avy amin'ny Ofisin'ny Rovan'i Madagasikara dia nahatratra 3 078 ireo mpianatra nitsidika ity toerana manan-tantara ity, tamin’io andro io. Niisa 268 kosa ireo mpianatra nitsidika ny Rovan’Ambohimanga ary niisa 154 ireo mpitsidika ny Mozea Vavitiana Tany Toamasina. Ireo firenena mpikambana ao anatin’ny filàn-kevitra iraisam-pirenena momba ny Mozea (ICOM) no mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Mozea isan-taona, isaky ny 18 mey. Ho antsika eto Madagasikara dia teny amin'ny Rovan'i Madagasikara no nanatanterahana ny fankalazana nasiônaly, notarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana, Rafaravavitafika Rasata.

Fanabeazana sy fikarohana

Lohahevitra izay manasongadina ny mahazava-dehibe ny mozea, amin’ny maha-rafitra mampiroborobo ny fanabeazana sy ny fikarohana ary ny fahatakarana ara-kolontsaina azy, ny lohahevitra nofidiana tamin’ity taona ity, izay manao hoe : « Mozea ho an’ny fanabeazana sy ny fikarohana ». Nambaran-dRtoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana tao anatin’ny lahateniny, fa ny mozea dia maneho ny soatoavina maha izy azy ny vondron’olona, ny faritra ary ny firenena, amin’ny alalan’ny fanangonana, fiarovana ary fikajiana ny harembakoka. Mampita ny hafatra sy ny soatoavina amin’ireo taranaka fara aman-dimby ihany koa ny mozea, amin’ny alalan’ny fampirantiana ireo harembakoka izay mampiavaka ny firenena. Fa anjara asan’ny mozea ihany koa ny fampandrosoana ny firenena, amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy, amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny serasera.

Lire la suite

Articles Similaires