• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 13 hatramin'ny 19 may 2024

20/05/2024 06:37 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny 13 hatramin'ny 19 may 2024

JIRAMA # Voasazy ireo tale jeneraly teo aloha

Anisan'ireo vaovao nafana tamin'iny herinandro iny ny famoahan'ny PAC ny fanapahan-kevitra mikasika ireo tale jeneralin'ny JIRAMA teo aloha, dia Vonjy Andriamanga sy Rivo Radanielina. Voasazy hanao asa an-terivozona mandritra ny 10 taona izy ireo, sady mila mandrotsaka "dommages-intérêts" mitentina 2 500 000 000 ariary avy amin'ny orinasa JIRAMA. Ny raharaha "Primes exceptionnelles" moa no tena votoanton'ny fanenjehana sy fanamelohana.
Tsara ny manamarika fa miisa 48 ireo tompon'andraikitra sy mpiasa isan-tsokajiny voarohirihy sady voasazy tamin'ity raharaha ity.

Fanoherana # Mikasa hametraka fitarainana

Mikasa hametraka fitoriana iraisana ireo kandidà avy amin'ny antoko mpanohitra manerana ny Nosy. Mikasika ny fandikan-dalàna ataon'ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny votoanton'izany. Mbola manao fitokanana fotodrafitrasa sy midina ifotony mantsy ny mpitondra, nefa ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra. Raha ny vondrona Firaisankina manokana, mitaky ny haha-"disqualifié" ireo kandidan'ny antokon'ny fitondrana any amin'ireo toerana nolalovan'ny filoham-
pirenena izy ireo.
Rehefa nanontanian'ny mpanao gazety mikasika io raharaha io ny filohan'ny CENI dia nanambara fa mbola handinika izay fepetra azo raisina.

FFKM # Tsy hirotsaka ho mpanaramaso ny fifidianana

Miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ny vahoaka malagasy amin'izao Pentekosta izao, hoy ny FFKM. Noho ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly sy fahantrana no mahatonga izany.
Tsy hirotsaka ho mpanaramaso ny fifidianana solombavambahoaka fiangonana, saingy nandefa hafatra ho an'ireo kristiana. Manentana ny rehetra ny FFKM mba ho olompirenena vanona. Miantso ho amin'ny fanamafisana ny fitondrana am-bavaka ny firenena ny fiangonana, indrindra amin'izao vanim-potoana ankatoky ny fifidianana izao.

Kianja BAREA # Tsy nahazo homologation

Tsy mbola nahazo "homologation" avy amin'ny CAF ny kianja Barea, na dia teo aza ireo asa fanamoarana notanterahina. Nisy mantsy ireo asa izay tao anaty lisitry ny tokony hananan'ny kianja manarapenitra. Anisan'ny efa vita ohatra ny fanampiana ny tohatra sy ny vavahady ary ny fanokanana toerana hanaovana fitiliana zava-mahadomelina. Hatreto aloha, tsy tafiditra ao anatin'ireo kianja afaka mandray lalao iraisam-pirenena baolina kitra ny kianja Barea Mahamasina.
Any Afrika Atsimo no hiatrika ireo lalao fifanitsanana hiakarana amin'ny Mondial 2026, amin'ny volana jona, ireo mpilalaon'ny ekipa nasionaly Barean'i Madagasikara.

BFM # Azo jifaina ilay vola volamena miendrika 50 ariary

Nentina nanamarihana ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Banky Foiben'i Madagasikarany famarotana ilay vola volamena miendrika 50 ariary. Azon'ny rehetra jifaina izy io mba ho fahatsiarovana mitoetra, amin'ny vidiny 12 tapitrisa ariary.
Milanja 1 Oz na 31,104 g moa io vola volamena io. Ao amin'ny tranokalan'ny Banky Foiben'i Madagasikara no ividianana azy, ary mila manana karapanondro ireo mpividy. Nampahatsiahivin'ny filoham-pirenena, tamin'ny lanonana fanombohana ny fivarotana ny vola volamena, ny amin'ny hananganana "raffinerie d'or" hanadiovana volamena eto Madagasikara, mialoha ny faran'ity taona 2024 ity.

PEACE CORPS # Nankalaza ny faha-30 taonany

Ny zoma 17 may lasa teo no nanamarihana ny faha-30 taonan'ny PEACE CORPS teto Madagasikara. Niisa 1 600 mahery ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikana efa niasa teto amin'ny firenena, ka misy amin'izy ireo no mbola amperin'asa. Misehatra amin'ny fambolena, ny fampianarana, ny fahasalamana sy ny tontolo iainana moa izy ireo. Any ambanivohitra matetika no tena anirahana ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ka mahritra 2 taona no hijanonany eto Madagasikara.
Tsara ny manamarika fa mianatra teny sy kolontsaina malagasy ireo amerikana vao tonga eto Madagasikara vao miasa sy manampy ny mponina any lavitra any.

CUA # Fitokanana fotodrafitrasa roa

Tontosa ny zoma 17 may lasa teo ny lanonana fitokanana ny Tsangambaton'Iarivo sy ny asa fanavaozana ny Jet d'eau. Izany no natao dia ny mba hanatsarana hatrany ny endriky ny tananan'Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara. Samy tsy maintsy mandalo eo Analakely mantsy na ireo mponina eto an-drenivohitra na ireo mpivahiny avy amin'ny faritra maro sy avy any ivelany. Misokatra ho an'ny rehetra moa ireo fotodrafitr'asa ireo. Azo atao tsara ny maka sary fahatsiarovana, indrindra ho an'ireo ray aman-dreny mitondra ankizy milalao.

Fitsidihan'ny filoham-pirenena # Nahazo tombony ny tany Vakinankaratra, Amoron'i mania sy Matsiatra ambony

Nanohy ny fidinana ifotony ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'iny faramparan'ny herinandro iny, na dia ao anaty vanim-potoana fanomanana ny fifidianana aza. Maro ireo fotodrafitr'asa notokanany, ka anisan'izany ny Cité Universitaire tao amin'ny Oniversiten'i Vakinankaratra, ny tobim-pamokarana herinaratra tao Tsaratanana Vinaninkarena, ny Base opérationnelle avancée tao Ambatofinandrahana ary ny Hôtel des Finances tao Fianarantsoa. Saika nahazo karatany sy jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro avokoa ireo mponina tamin'ny faritra nolalovany. Raha ny tao Ivohibe manokana ohatra, tokantrano 1602 no nisitraka ny fizarana jiro Hazavana ho anao.

Vondrona Eoropeana # Fifanarahana ara-toekarena amin'i Madagasikara

Ampahibemaso no niresahana ny mikasika ny fifanarahana ara-toekarena eo amin’ny firenentsika sy ny Vondrona Eoropeana tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano, nandritra ny fankalazana ny Herinandron'i Eoropa. Teo anoloan’ireo avy amin’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina no nanaovana izany.
Nampahafantarin'ny avy ao amin'ny Ministeran'ny Varotra ny fizotry ny fifandresen-dahatra anatin’izany, ny antony nidirantsika tao amin'ny Vondrona Eoropeana, ny tombontsoa, ary ny dingana vita sy ny mbola hatao. Eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra moa dia manondrana betsaka kokoa ny Malagasy raha ampitahaina amin’ny fanafarana entana avy any amin’ny Vondrona Eoropeana.

Fitsirihana ny vidin'entana sy fitaovam-pandanjana # Nisy mpivarotra maromaro voaantso

Mitohy tsy mijanona ny fanaraha-maso ny vidin’entana sy ny fitaovam-pandanjana ataon’ny mpanara-maso avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC). Tamin’iny herinandro lasa iny dia tamin'ireto toerana ireto no nanatanterahana ny fitsirihana : Anosibe, Miandrarivo, Ankaditoho Marohoho, Ambanidia, Anosizato Atsinanana ary Ifarihy Atsimondrano. Mpivarotra miisa 19 no nanaovana fanaraha-maso ka 9 tamin’izy ireo no nomena fampiantsoana sy nodidiana hitondra ny ireo fitaovam-pandanjana ampiasainy ho tsaraina eny anivon’ny Sampan-draharaha momba ny Refy sy Lanja (SML).

Itasy # Fampiofanana mpianatra mikasika ny fandraharahana

Nikarakara fampiofanana mikasika ny paikady sy ny fanalahidin’ny fandraharahana ny ekipan'ny Ministeran'ny varotra sy ny indostria. Mpianatra miisa 80 mianadahy ao amin’ny kilasy famaranana tao amin'ny Lisea teknika Miarinarivo no nisitraka izany. Manaraka ny lalam-piofanana ara-teknika momba ny fambolena sy ny fiompiana moa izy ireo.
Ny tena tanjon'ny fizarana traikefa dia ny mba hanampiana sahady ireo tanora mba hanana asa mendrika rehefa tonga ny fotoana irosoany amin'izany.

Faratsiho # Nahazo milina fanamboarana chips

Tamin’ny Talata 14 may no nomarihina tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny famokarana chips avy amin’ny ovy ao amin’ny Taninketsa Indostrialy any Faratsiho. Miroborobo tokoa mantsy ny kaoperativan’ny mpamboly ovy any an-toerana Raha manodidina ny 20 ny kaoperativa ao Faratsiho dia misehatra manokana amin’ny fambolena ovy ny antsasak’izay.
Distrika 5 amin’ny 7 any amin’ny faritra Vakinankaratra no efa nametrahana milina fanodinam-bokatra One District One Factory (ODOF).

Manandriana # Hanodina voasary makirana ho lasa ranomboankazo ny mponina

Nahazo milina hanodinana ny voasary makiranaho lasa ranombonakazo ny ao Manandriana. Matetika mantsy dia lo ny ankabeazan'ny vokatra rehefa tsy misy mpividy. Lasa mora loatra ihany koa izany matetika. Eo amin’ny 3500 taonina eo ho eo isan-taona mantsy ny vokatra voasary makirana any an-toerana.
Kaoperativan’ny tantsaha mpamboly voasary makirana 14 izay ahitana mpikambana 356 no mahazo tombontsoa mivantana amin’ity Taninketsa Indostrialy ao Manandriana ity. Hahazoana ranom-boankazo 1000 litatra isan’ora ny milina.
Eo amin’ny 3500 taonina eo ho eo isan-taona ny vokatra voasary makirana any Manandriana sy ny manodidina. Roa volana ihany, mandritra ny taona, no tsy miaka-bokatra.

Fianarantsoa # Fitsaboana manakaiky vahoaka

Mitohy hatrany ny hetsika fitsaboana manakaiky vahoaka na "soins de proximité, izay tanterahin'ny Ministeran'ny fahasalamamahoaka. Ny 16 may lasa teo, ny mponin'i Fianarantsoa indray no nahazo tombony. Maro isan-karazany ary maimaim-poana avokoa ireo tolotra ara-pahasalamana nomena ny vahoaka. Nisy ihany koa ny fanentanana ny vahaokan'i Fianarantsoa mba havitrika amin’ny fanaovam-baksiny ny zaza sy ny ankizy. Natrehan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina moa ny hetsika.

Lire la suite

Articles Similaires