• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsika Jiaby
Image
Vaovao

Tsika Jiaby Festival : Mpanakanto malagasy maherin'ny 30 isa no lasa any Frantsa

17/05/2024 18:42 © Moov.Mg

Raha manontany tena ianao hoe : lasa aiza ny mpanakanto ankafizinao amin'izao fetin'ny pantekôsta izao ? Dia angamba isan'ireo hanafana ny hetsika "Tsika Jiaby Festival" hatao any Frantsa izy.

Artista marobe

Hetsika goavambe, namoriana mpanakanto malagasy maherin'ny 30 isa, ny "Tsika Jiaby Festival". Any Frantsa, ao amin'ny toerana antsoina hoe « Domaine de Courson », no hanatanterahana azy mandritra ny 3 andro, manomboka rahampitso sabotsy 18 mey hatramin'ny alatsinainin'ny Pantekôsta 20 mey. Santionany fotsiny amin'ireo mpanakanto hanatanteraka fampisehoana any an-toerana ireto : Rossy, Jaojoby, Ambondrona, Olombelo Ricky, Fenoamby, Shyn & Denise, Rajery, Tempo Gaigy, Tirike... Andiany voalohany izy ity, izay manana tanjona ny hampahafantatra ny kolontsaina malagasy, izay manankarena tokoa, manerana izao tontolo izao. Hita taratra amin'ny hamaroan'ireo artista ireo sahady izany, izay tsy vitan'ny betsaka, fa samy manana ny fiaviany, ny gadona sy ny karazan-kira manavanana azy.

Kolontsaina manankarena

Tsy ny hira sy mozika ihany anefa no ho azo ankafizina mandritra ny Tsika Jiaby Festival, fa hahazo vahana mandritra ireo telo andro ireo ihany koa ny asa tanana malagasy maro isan-karazany, ny nahandro tena malagasy, ny horonan-tsary malagasy... izany hoe : ireo izay rehetra afaka maneho ny kanto sy ny kolontsaina mampiavaka an'i Madagasikara dia hahazo sehatra avokoa, mandritra ny Tsika Jiaby Festival. Raha fehezina dia hetsika iray manan-danja ho an'ny fampiroboroboana ny maha-malagasy, eo amin'ireo mpiray tanindrazana monina any am-pitandranomasina, no sady fotoana hampahafantarana bebe kokoa an'i Madagasikara amin'ireo tera-tany vahiny, ity hetsika tontosaina any Frantsa ity.

Lire la suite

Articles Similaires