• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Rivodoza Gamane : Nanolotra 62,5 tapitrisa ariary ho an’ny BNGRC ny Ambasadin’ny Sina

17/05/2024 18:25 © Moov

Nanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny Madagasikara indray ny Sina androany tamin’ny alalan’ny fanolorana fanampiana tao amin’ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Lelavola mitentina 62 tapitrisa ariary mahery sy sakafo amin’ny taonina ho an’ireo izay nitondra takaitra betsaka tamin’ny fandalovan’ny rivodoza no natolotr'i Sina, tamin’ny alalan’ny Ambasadoarony miasa sy monina eto Madagasikara, Ji Ping.

Ho an’ireo niharam-boina

Fanampiana manokana natokana ho an’ireo niharam-boina sy nitondra takaittra tamin’ilay rivo-doza « gamane » farany teo, indrindra ny ao amin’ny faritra avaratra atsinanana no hisitraka ireto fanampiana ireto. Vary milanja 11,35 taonina sy menaka 900 litatra ary lelavola mitentina 62,5 tapitrisa ariary no natolotry ny avy ao amin’ny Ambasadin’ny Sina ho an’ny BNGRC tamin’izany. Ny tanjona amin’izy ity dia ny mba hamaliana ny filàna maika an’ireo mponina amin'izao vanim-potoan’ny rivodoza izao. Ity fanampiana ity moa araka ny fanambaran’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, Elack Olivier, dia hitondra fanampiana ho an’olona miisa 4540, mitsinjara amin’ny fiankaviana miisa 900 eo ho eo ary ahampy azy ireo mandritra ny dimy andro. Nanamafy ihany koa ny tenany amin’ny maha-zava-dehibe ny fanampiana toy izao izay mety ahavonjy zaza amam-behivavy, ary indrindra ireo izay tena sahirana sy mety mandalo tsy fahasalamana amin’izao fotoana izao.

Fiaraha-miasa maharitra

Anisan’ny tohin’ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny Sina sy ny BNGRC ihany koa ny fanolorana ireto fanomezana ireto. Ao aoriana ao dia mieritreritra hanohy hatrany ny fiaraha-miasa izy ireo amin’ny alalan’ny fifanakalozana fahaiza-manao eo amin'ny ekipan'ny BNGRC sy ireo any Sina, noho ny fitovian'ny misy eo amin’ny fisehon’ny loza voajanahary izay atrehin'ny firenena roa tonta. Marihana fa raha ho an’ity taona 2024 ity fotsiny dia efa fanampiana hafa indray ity natolotry ny Sina ity. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, mantsy ohatra, efa nanampy an’i Madagasikara tamin’ny fanomezana fonosana sakafo miisa 900 sy vary 23 taonina i Sina. Manaporofo ny fifamatorana mafy amin’ny firenena roa tonta izany rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires