• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Olona manana fahasembanana : Ho vitaina amin’ny tapaky ny taona ny politika vaovao ho amin’ny fampiatiana azy ireo

17/05/2024 18:03 © Moov

Ao anatin’ny famolavolana ny politika vaovao ho amin’ny fampiatiana ireo olona manana fahasembanana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny mponina amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ny fihainoana ny hetahetan’ireo sembana amin’ny lafiny sosialy ka heverina ho vita amin’ny tapaky ny taona izany politika vaovao izany.

Hatramin’ny taona 2021

Efa nanomboka tamin’ny taona 2021 no nanomboka ny asa famolavolana ity « politique nationale pour l’autonomisation et l’inclusion des personnes handicapées » vaovao ity na ihany koa ilay antsoina hoe politika nasionaly ho fampiantseherana sy fampiatiana ny olona manana fahasembanana. Marihina fa efa ny taona 2019 no tapitra ny politika nasionaly teo aloha ka hatramin’izao dia mbola tsy misy ny paik’ady entina hampiroboroboana ny fampandraisana anjara ireny olona ireny ka izany no maha-zava-dehibe ity asa ity. Amin’izao fotoana izao dia efa mandeha ny fihainoana isan-tokony ireny olona ireny. Horaisina ao anatin’izany ny filàny amin’ny sehatry ny fanamorana ny fiainany, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fiarovana ara-tsosialy, ny fahadiovana sy ny rano, ny fahafahany mandray anjara amin’ny lafiny politika, asa mahakasika ny maha-olona. Efa nandeha nanomboka tamin’ny taona 2022 sy 2023 ihany koa anefa ny fifampidinihana nasionaly sy isam-paritra.

10% amin’ny Malagasy

Mandrakotra ny 10% ny mponina eto Madagasikara ny olona manana fahasembanana raha ny antontan’isa farany izay navoakan’ny INSTAT. Voaray ao anatin’izany avokoa na iroe sembana ara-batana na ireo sembana ara-tsaina. Raha ny fanazavan’ireo manam-pahaizana moa dia misy amon’izy ireo no sembana htrany am-bohoka ary misy ireo sembana noho ny loza na aretina nahazo azy. Samy mbola tsy miaina ankalalahana ihany anefa ireny olona ireny. Tsy ampy ny foto-drafitr’asa, olana izay nipetraka efa nandritra ny taon amaro. Ansian’ny tokony ho resahana anatin’ity politika nasionaly vaovao ity izany. Saika mangataka eny an-dalambe ny ankamaroan’izy ireny raha ny antontan’isa avy ao amin’ny Ministeran’ny mponina ka sarotra ny hampivoarana azy. Izay indirndra no ilaina ny fakan-kevitra amin’iy ireny hahafahana mahita ny tena filàny. Ao anatin’ny olana tokony ho vahana ihany koa ny faharefon’ny fandraisana an-tanana azy ireny tsirairay avy.

Lire la suite

Articles Similaires