• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hitsy
Image
Vaovao

Fitaterana : Miverina misokatra ny fandanjana fiara vaventy ao Ambohimalaza sy Antsarakofafa

17/05/2024 17:56 © Moov

Nanao fanambarana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy fa hiverina hisokatra indray ny toeram-pandanjana fiara vaventy ao Ambohimalaza Antananarivo sy AntsarakofafaToamasina, izay samy eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Hanomboka ny alatsinainy 20 may izao izany toerana izany no hiverina handray ireo fiara vaventy mpampiasa iny lalana iny indray.

Harahi-maso

Ho hentitra manomboka eto ny fanaraha-maso ireo fiara vaventy mandeha amin’iny lalam-pirenena iny. Maro ireo foto-drafitr’asa mila arovana manerana ireny lalam-pirenena ireny ka tsy maintsy ho entitra izany fanaraha-maso izany. Tao anatin’izany fanambarana izany dia voalaza mazava fa ny fiara rehetra na fitambarana fiara ka ny lanjany tsy misy entana na ny lanjan’ny fiara manontolo rehefa misy entana ka mihoatra na mira ny 3,5 taonina dia tsy maintsy iharan’ny fanaraha-maso ny lanjany avokoa, eny anivon’ireo toeram-pandanjana ireo. Araka izany manomboka amin’io alatsinainy io dia miverina milanja sy manaraka ny fepetra teo aloha avokoa ny fiara vaventy rehetra mba hahafahana miaro ny fotodrafitr’asa sy ny olona ary indrindra ny entana izay taterina.

Lanjan’ny entana

Araka ny lalàna manan-kery hatramin’izay dia mihatra hatrany ny sazy ho an’ireo fiara izay mitondra entana mihoatra noho ny vesatra voafetra (surcharge). Araka izany dia tsy maintsy hampidinina avy hatrany ireo entana izay mihoatra. Tsara anefa ny mampatsiahy fa ny fampidinana, ny fiambenana ary ny famindrana ny entana amin’ny fiara hafa dia anjaran’ny tompon’entana avokoa. Etsy andaniny anefa dia miato aloha ny fampiharana ny sazin’ireo mpitatitra entana mivesatra mihoatra noho ny nahazoany alalana. Izany fepetra izany moa dia mihatra amin’ireo toeram-pandanjana fiara vaventy roa ireo. Tsy any amin’ity lalam-pirenena faharoa ity irery ihany anefa no manjaka izany fepetra izany satria ny lalana rehetra manerana an’ny Madagasikara sy ireo fotodrafitrasa rehetra mihitsy no mila arovana sy tandrovana.

Lire la suite

Articles Similaires