• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Andron’ny faritra mando : nambolena hazo sy nandrotsahana zana-trondro ny Farihy Anosilava

02/02/2024 17:13 © Moov.Mg

Notanterahina androany teny amin’ny farihy Anosilava, kaominina ambanivohitra Ambatolampy Tsimahafotsy, Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, ny fankalazana ofisialy ny andro maneran-tany ho an’ny ny faritra mando, izay marihin’ny Firenena Mikambana isaky ny 2 febroary.

Mamelona an’Antananarivo

Faritra mando manana anjara asa lehibe eo amin’ny famokarana sy famelomana ny tanànan’Antananarivo ny farihy Anosilava, hoy ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Rasamoelina Fidiniaina Moïse, izay nitarika ity fankalazana ity niaraka tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ahitana tanimbary mirefy 400ha mantsy eo akaikin’ity farihy ity ary ny ranon’ny farihy no mamelona ny tanimbary. Izay fifandrohizana eo amin’ireo toerana roa ireo izay no antoka mampanjary ny voly manodidina. Mamelona olona valo alina any ho any ity toerana ity. Ahitana karazan-javamanan’aina tsy fahita afa-tsy eo amin’io faritra io ihany koa, toy ny voro-manidina mpifindra toerana. Zava-dehibe ny fananana faritra mando tahaka itony, satria izy no misintona ny rano mety hihoatra ka mety hiteraka tondra-drano, izay olana mpitranga eto Analamanga.

Faritra mando, antoky ny aina

Manana Faritra mando 21 isa i Madagasikara, araka ny fampahatsiahivan’ny tale jeneralin’ny Fitantanana ny Tontolo iainana, Razafindrabe Rinah. Mivelatra amin’ny velaran-tany 4 hetsy sy 2 tapitrisa ha izany. Miara-miasa amin’ny ministera hafa ny MEDD amin’ny fitantanana azy ireo. Ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampandraisana ny vondron’olona ifotony anjara amin’ny fiarahana mitanantana ireo faritra mando ireo, satria izy ireny rahateo no mivelona sy misitraka azy. Ankoatra ny fanentanana momba ny fiarovana ireny faritra mando ireny moa, nandritra ny fanamarihana notanterahina androany, dia nisy ny fambolena zanakazo « frêne » manamorona ny farihy sy fandrotsahana zana-trondro miisa 2 500 tao anatin’ny farihin’Anosilava, ho fanampiana ny mponina amin’ny asa fivelomany. Lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona 2024 ity ny hoe : « Faritra mando, antoky ny aina ».

Lire la suite

Articles Similaires