• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Minsanp
Image
Vaovao

Andro eran-tany ho an’ny « hémophilie » : Nomena ra maimaim-poana ireo marary

17/04/2025 14:47 © Moov.Mg

Teny amin’ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHU JRA) Anosy no nanamarihana tamin’ny fomba ôfisialy ny andro eran-tany ho an’ny fijininihan-dra lava (Journée mondiale de l'hémophilie), ho an’i Madagasikara, androany 17 aprily 2025.

Mila mitandrina mba tsy haratra

« Mandeha ra ihany koa ny vehivavy sy ny ankizivavy » (Les femmes et les filles saignent aussi) no lohahevitra entin’ny maneran-tany manamarika ny andro ho an’ny fijininihan-dra lava tamin’ity taona ity. Amin’ny ankapobeny mantsy dia ny lehilahy sy ny ankizilahy no tena betsaka fantatra fa tratran’ny « hémophilie », saingy mety ho voany ihany koa ny vehivavy, na dia vitsy an’isa aza.

Aretina tsy mifindra ny fijininihan’ny ra lava, fa lovaina avy amin’ny ray aman-dreny, izay mitondra ilay tarazo mitsy tsy fahatomombanana. Raha tsorina tokoa, dia ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fivainganan’ny ra no mitarika ity aretina ity, hany ka lasa mora mandeha ra ilay olona. Tsy mety mijanona mora foana, tahaka ny an’ny olona salama izany. Mety ho mora mandeha ra orona, na nify, ohatra izy. Mety tsy hivoaka ety ivelany ihany koa anefa ny ra, fa miandrona amin’ny faritra iray amin’ny vatana, toy ny vanin-taolana na ny nofo. Tsy misy ny fitsaboana mahasitrana ny olona tratran’ny fijininihan’ny ra lava, fa misy kosa ny fandraisana an-tanana azo atao, mba hahafahan’izy ireo miaina tahaka ny olana rehetra. Ny fitandremana mba tsy haratra no tena zava-dehibe indrindra.

Fitiliana maimaim-poana

Ho an’ity andron’ny androany ity, dia nomarihina tamin’ny diabe niraisan’ireo mpitsabo, ireo marary sy ny fianakaviany, ireo fikambanana isan-karazany izay manohana ireo olona tratran’ny fijininihan’ny ra lava, ny fankalazana. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny famatsiana ara-pitsaboana eo anivon'ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay nisolo tena ny minisitra Randriamanantany Zely Arivelo, ary notronin'ny tale misahana ny Ady amin'ny aretina tsy mifindra.

Nisy ny fanazavana ara-tsiantifika, nentina nampahafantarana ny mombamomba ny aretina « hémophilie », narahan’ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olona tratran’ny aretina. Nikarakara fitiliana maimaim-poana ny aretina fijininihan’ny ra lava ihany koa ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny hôpitaly CHU JRA. Ankoatra izay dia nisy ny fanomezan-dra maimaim-poana ho an’ireo olona tratran’ity aretina ity. Nanentana ny rehetra moa ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hanao fitiliana, ary hanatona ireo tobim-pahasalamana raha sanatria misy tranga miseho mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires