• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Green Power Service
Image
Sport

RUGBY LEHILAHY- Tafiditra vondrona mafimafy ny ekipam-pirenena Malagasy

28/08/2024 16:06 © Moov

Ny hahazoana ny tapakilan’ny fiadiana ny amboara eran-tany 2027 no tanjona ho an’ny ekipam-pirenena malagasy rugby.

Tapaky ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina lavalava fa hiova ny fanatontosana ny lalao fiadiana ny amboaran’i Afrika 2024, sokajy lehilahy. Firenena roa samy hafa no hanatanterahana izany. Raha tany Tonizia no tokony hanaovana ny fifaninana teo aloha, niova any Maraoka indray izany ankehitriny. Tsara ny mampahafantatra fa misy firenena 6 mandray anjara ao anatin’ity lalao ity. Raha ny lamina vaovao araka izany, vondrona iray lasa misy firenena efatra avy. Ao amin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara izay ahitana an’i Maraoka, Kamerona ary i Botsoana. Nisy fiovana ity firafitry ny vondrona misy ny Malagasy ity.
Tany am-piandohana dia tafaraka vondrona tamin’ny Tonizia, Zambia ary i Botsoana ka izao lasa niova vondrona izao raha ny fandaminana avy amin’ny Rugby Afrika. Vondrona A kosa no misy an’i Tonizia, Ghana ary i Nizeria. Raha ny fipetrakin’ny lalao dia mifandona avokoa ireo firenena rehetra miray vondrona, izany hoe misy lalao telo isan’isany ho hataon’ireo ekipa. Manarak’izany, mihaona avokoa ireo voalohany isam-bondrona izay ahafahan’izy ireo miakatra ao anatin’ireo vondrona sangany aty Afrika izay mivoaka mpandresy.

Laharana voalohany ao amin’ny vondrona no tanjona

Ny fahatongavana eo amin’ity vondrona sangany ity no ahafahana mahazo ny tapakila fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taona 2027 hatao any Aostralia. Efa ao anatin’izany vondrona izany ankehitriny ry zareo Namibianina, Zimbaboe, Kenya, Oganda, Senegaly, Alzeria ary i Cote d’Ivoire. Mafimafy ny vondrona misy an’i Madagasikara amin’izao raha ny nambaran’ny tale teknika nasionaly. Na hita mbola manavao ary ireo firenena hafa toa an’i Kamerona, saika mpila ravinahitra avy any Frantsa avokoa ireo mandrafitra ny ekipam-pireneny. Torak’izay ihany koa i Maraoka izay manana mpilalao avy amin’ny fifaninanam-pirenena diviziona voalohany sy faharoa. « I Botsoana ihany hatreto no mifandanja tsara amintsika ny tanjany kanefa ny laharana voalohany no kendrena ka mety ho mafimafy ny ady » raha ny fanehon-kevitry ny tale teknika nasionaly ny taranja Rugby Malagasy. Efa ao anaty fanomanan-tena tanteraka ny ekipam-pirenena Malagasy ankehitriny. Natomboka mialoha izany noho ny fisian’ny fiadiana ny tompondakam-pirenena diviziona voalohany « Top 12 ».

Lire la suite

Articles Similaires