• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wikipédia
Image
Sport

TARANJA LOMANO- Nisokatra tao anatin’ny andro mangatsiaka ny dobo filomanosana

27/08/2024 15:36 © Moov

Mbola lavitra ezaka ny taranja lomano eto Madagasikara. Ao anaty drafitra hitadiavam-bahaolana hanatsarana ny zava-misy kosa ny federasiona ankehitriny.

Niroso tamin’ny fampivondronana voalohany ny mpilomano manerana ny Nosy ny federasiona « Madagascar Aquatics » ny zoma 23 aogositra sy sabotsy 24 aogositra teo. Tafiditra tao anatin’ny politikan'ny federasiona ny nanao fampivondronana voalohany karakarain’izy ireo. Natao hampiakarana ny lentan’ny mpilomano any amin’ny lalaon’ny Nosy ny taona 2027 no tanjona. Karazany roa ny sokajy niatrika ny fampivondronana. Misy ny "élites" na ireo sangany. Misy koa ireo "espoir" na ny taninketsa. Ireto sokajy farany ireto no tena notilina tao anatin’ny roa andro, araka ny nambaran’ny tale tekinika nasionaly, Andrimanantena Vony. « Izy ireo no taninketsa hitombo sy hivoatra mandra-pahatonga ny lalaon’ny Nosy amin’ny taona 2027. Izay misy ny sokajin-taona rehetra na ny junior, cadet, senior izany » hoy hatrany ny fanazavany. Nisy ny fitsapana natao tamin’ireo ankizy izay nahafahana nanana sokajy azy ireo sy ireo hiatrika ny fampivondronana. Natao nandritra ny fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara izany fitsapana izany ary saika ahitana solon-tena avokoa ireo avy any amin’ny faritra hafa, Atsinanana, Boeny, Vakinankaratra.

Mbola ilàna ezaka

Ambany hatreto ny lentan’ireo mpilomano Malagasy raha oharina amin’ny lenta iraisam-pirenena. Vokatra isan’ny nahavelom-bolo ho an’i Madagasikara kosa ny nanamontsanan'i Holy Antsa ny « record nasionaly » tamin'iny lalao olaimpika iny. Efa ezaka tsara kosa ny fahafahana manokatra ny dobo filomanosana amin’ny andro ririnina tahaka izao. Atleta hofaninana amin’ny sehetra iraisam-pirenena no tanjona ka tokony ho feno 12 volana tsy tapaka ny fanazaran-tena ataon’ireo ankizy raha ny fanehoan-kevitry ny tale tekinika nasionaly. Tsara ny mampahafantatra fa hatramin’izay m, tapitra ny volana may ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ary ny volana oktobra vao miverina milomano. Misy dimy volana tsy ihetsehana, araka izany, ireo mpilomana noho ireo fotodrafitrasa tsy ara-dalàna. Fanantenana kosa, hoy ny tale teknika nasionaly, ny hanohizana ity fanitarana ny taom-pilomanosana ity sy ny fiaraha# miasa amin’ny akademy nasionalin'ny fanantanjahantena tahaka izao.

Lire la suite

Articles Similaires