• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Rugby
Image
Sport

Vehivavy Rugby U-17: Ho tsara ireo taninketsa vaovao handimby ny Ladies Makis

27/08/2024 15:33 © Moov

Ao anatin’ny tanjany tanteraka ny tontolon’ny baolina lavalava, sokajy vehivavy eto Madagasikara. Tsy atahorana ho lany ny mpilalao hoavin’ity taranja ity ho an'ny taona ho avy.

Tontosa ny 24 sy 25 aogositra 2024 teo ny fiadiana ny ho tompon-dakan'i Madagasikara ho an'ny sokajy vehivavy latsaky ny 17 taona eo amin'ny taranja baolina lavalava lalaovin’olona fito tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Hetsika nokarakarain'ny Federasiona Malagasy Rugby sy ny fikambanan’ireo vondrona Japoney JICA. Ligim-paritra miisa 8 no nandray anjara tamin'ity andiany voalohany ity. Misy an’i Atsinanana, Atsimo Andrefana, Amoron'i Mania, ary Analamanga. Ho an’ireo avy any amin’ny faritra, nahita solon-tena miisa 42 izy ireo. Ho an’ny teto Analamanga kosa 70 teo no tonga nanao ny fifaninanana. Tanjona amin'ity lalao ity ny hanomanana sy hitiliana ireo taninketsa vaovao handimby ireo Makis Ladies. Nambaran’ny tale tekinika nasionalin'ny Malagasy Rugby fa « sambany no nisian’ny hetsika tamin’ity taona ity. Efa nisy hatrany kosa ny fanatanterahana ireo fifaninanana isam-paritra efa nandritra ny taona maro izay. Raha ny vokatra nandritra ity fifaninanana fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara sokajy vehivavy latsaky ny 17 taona ity, nibata ny amboara ny ekipan’i Toliara, laharana faharoa ny UAS Cheminots ary laharana fahatelo ny EDO Sabotsy namehana.

Fanomanana ny ekipam-pirenena latsaky ny 18 taona

Ankehitriny, hita manomboka mahazo lanja ireo mpilalao rugby vehivavy. Ho tohin’ity fifaninanana ity dia hiezaka haka ireo zatovovavy handrafitra ny ekipam-pirenena sokajy 18 taona ny Malagasy Rugby. Mbola hisy koa ny fizarana asa sy fampivondronana miaraka amin’ny mpanazatra . Aorian’izany, mbola hanao fampivondronana hafa ny federasiona ho fanatsarana ny ekipam-pirenena latsaky ny 18 taona. Natao ho fanomanana ireo hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny « Jeux olympiques des jeunes » ny taona 2025. Fandaharam-potoana manaraka kosa ny fikarakarana ny fidiana ny ho tompondaka an’i Madagasikara eo amin’ny sokajy latsaky ny 18taona manarak’izany ny fifaninana fiadiana ny ho tompondaka an’i Madagasikara sokajy « senior ».

Lire la suite

Articles Similaires