• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbb
Image
Sport

BASKET VETERANS- Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara sokajy zokiny ny BC Blindé sy MMBC

26/08/2024 16:24 © Moov

Nifarana omaly 25 Aogositra tetsy amin’ny kianja ny Barea Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondaka an’i Madagasikara eo amin’ny taranja baskety, sokajy zokiny, lehilahy sy vehivavy.

Mbola ao anaty tanjany tsara ireo ekipa

Nifampitana tsara ireo klioba nifaninana hatramin’ny fiatombohan’ny lalao. Raha teo amin’ny sokajy lehilahy, tao anatin’ny fahaefa-potoana roa voalohany saika ny ekipan’ny BCR hatrany no nitarika tao anatin’ny lalao. Nifoha tamin’ny torimasony kosa ny BC Blindé rehefa hiditra tamin’ny fahaefam-potoana fahatelo. Nanomboka nitarika izy ireo ary niezaka nametraka elanelan’isa enina teo foana. Niha mafimafy kosa ny fifandoanana teny ambony kianja, nisesisesy ny fifamaliana teo amin’ny isa ho an’ireo ekipa roa tonta. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 49 noho ny 47 kosa ny BC Blindé tao aorinan’ny lalao nanoloana an’i BCR. Ho an’ireo vehivavy , nifampitana tsara ireo ekipa tonga taty amin’ny dingana famaranana. Mbola hita taratra teny ambony kianja hatrany ny fahaiza-manao sy ny traikefa hanan’ireo mpilalao vehivavy sokajy zokiny. Lavon’ny MMBC tamin’ny isa 38 noho 31 kosa ny ASVD Fitefa tao anatan’izany lalao izany.

Nahavelom-bolo ny fifaninana

Tratra ny tanjona tao anatin’ity fifaninanam-pirenena iray ity raha ny nambaran’ny filoha ny federasiona Jean Michel Rakotoarisoa. Ambony ny tahan’ireo klioba tonga nandray anjara izay naherin’ny 600 ireo nifaninana. Hita ny fahazoton’ireo tanora zokiny ary voatazona ireo mpitia baskety zokiny. Tsara ny lentan’ireo mpifaninana. Zava-dehibe ny tao anatin’ity lalao ity ihany koa ny fampiantranona natao teo amin’ny kianja Barea Mahamasina. Nambaranan’ny filohan’ny federasiona fa « Tsy olana ny nanao ny lalao teo ivelany tsy toy ny mahazatra na isan’ireo lalao fidiana ho tompondaka an’i Madagasikara aza ny lalao. Nanaraka ny fenitra amin’ny maha kianja afaka hilalaovana azy tsara ny nampiasaina ». Nipetraka ny vinavina hoe « zoky filamatra eo amin’ny taranja baskety ho modely ho an’ireo zandry, zanaka misehatra ao anatin’ity tontolo ity » ireo mpilalao zokiny.

Lire la suite

Articles Similaires