• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmt Wt
Image
Sport

Taekwondo - 33 mianadahy no hiatrika fifantenana farany

26/08/2024 16:20 © Moov

Hiditra amin’ny fampivondronana nasionaly farany ny mpikatroka hay ady Taekwondo ny 5 hatramin’ny 25 septambra ho avy izao.

Hiroso amin’ny dingana manaraka ireo mpikatroka

Tontosa ny zoma 23 aogositra teo ny fifantenana ady tsapa « kyorougui » tetsy amin’ny foibe CFFAMMA Nanisana. Miiisa 33 mianadahy sisa ireo voatazona hiatrika ny fifantetanana farany raha toa ka 49 mianadahy izy ireo tany am-piandohana. 15 lehilahy ary 18 ny vehivavy ao anatin’izany. Ahitana sokajin-danja karazany 12, ny44kg,46kg,49kg,52kg,59kg ary63kg ho an’ireo vehivavy ary45kg,48kg,51kg,55kg,59kg, 63kg ho an’ireo lehilahy. Misy atleta roa na telo avy kosa no mandrafitra ny sokajy isanisany. Tsara ny mampahatsiahy fa fampivondronana hakana ny atleta handrafitra ny ekipam-pirenena amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny sokajy zandriny, lahy sy vavy hatao any Korea ny 1 hatramin’ny 6 oktobra ity tanterahina ity. Ligy efatra no nandefa solon-tena tamin’izany izay misy an’Analamanga, Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra. Nambaran’ny tale tekinika nasionaly Dimbiheriniana Pharlin fa nahafa-po ny vokatra ary azo ambara fa manana atleta tsara ny federasiona hiatrika izany fifaninanana izany. Afaka manantena vokatra any amin’ny andro farany kosa vao ho fantatra ireo atleta tena tompon-toerana eo amin’ity taranja ity. Ary amin’izay fotoana izay koa vao ho fantatra ireo sokajin-danja hisolo tena an’i Madagasikara. Marihina hatrany fa misy sokajin-danja miisa 16 hifaninana any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny sokajy zandriny izay.

Mitohy ny ezaka hanatrarana ny lenta iraisam-pirenena

Ity no herinandro faharoan' ny fampivondronana ireo atleta mpanao ny haiady Taekwondo. Ny hanenjehana ny lenta iraisam-pirenena no tanjona mandritra ny fiofanana. Tsy nisy ny fitaovana ny fomba nampiasaina teo aloha, ka voatery nitsara mivantana ireo lalao ny mpitsara. Efa ambony ny lentan’ireo lalao iraisam-pirenena ka ilana fahafehezana tanteraka ireo fitaovana mba hahazoana isa tsara. Tao anatin’ny ady tsapa kosa, efa hita nahahefy izany avokoa ireo mpikatroka. « Maro ireo isa tokony tratrarina sy azo mora foana rehefa voafehintsika ireo fitaovana ireo, ary efa mandeha tsikelikely izany fanazarana izany ankehitriny », hoy ny fanazavana nentin’ny tale teknika nasionaly.

Lire la suite

Articles Similaires