• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmt
Image
Sport

TAEKWONDO WT- Miatrika ny ady tsapa ireo mpikatroka

23/08/2024 17:46 © Moov

Manantena vokatra tsara any amin’ny fidiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny sokajy junior, lahy sy vavy, ny federasiona.

Fanomanana ireo atleta

Nanomboka androany tamin’ny 9 ora maraina ny ady tsapa ataon’ireo mpikatroka Taekwondo miisa 46 mianadahy, sokajy zandriny na « junior ». 23 ireo lehilahy ary 23 no vehivavy ao anatin’izany. Araka ny lamina vaovao napetrak’ireo mpikarakara, naroso anio izany ady tsapa izany raha tokony hatao rahampitso Sabotsy. Olana teo amin’ny fampiasana ny efitrano no antony raha ny nambaran’ny tale teknika nasionalin’ny federasiona malagasin’ny taekwondo, Dimbiheriniaina Pharlin. Ankoatra ny fampivondronana ireo atlteta, misy ihany koa ny fampiofanana azy ireo mahakasika ny fepetra fitsarana niarahana tamin’ireo mpitsara lalao izay natao omaly. Fanazavana ireo atleta hiatrika « test match » ady tsapa ny mahakasika ny fitsipika sy isa ary fahadisoana mandritra ny ady iray no jerena mandritra izany. Ho tiliana ao anatin’ity herinandro faharoa ity, ireo mpilalao tsara isaky ny sokajy misy azy. Ireto farany no hiatrika ny fampivondronana manaraka izay hatao ny 5 hatramin’ny 25 septembre ho avy izao raha ny fanazavana nentin’ny tale teknika nasionalin’ny federasiona hatrany. Tsiahivina fa fampiofanana « Kyorougui » no hanaovana fampivondronana etsy Nanisana. Mifototra amin’ny ady sy fanaovana paik’ady ambony kianja fotsiny ny fampiofanana.

Mandeha ny fisafidianana ireo sokajin-danja

Manana sokajin-danja 20 ireo atleta manatrika ny fampivondrona ,10 lehilahy sy 10 vehivavy ireo. Ho an’ny lehilahy, misy ny45kg,48kg,51kg,55kg,59kg,63kg,68kg,73kg ,78kg. Ny vehivavy kosa misy ny:42kg,44kg,46kg,49kg,52kg,55kg,59kg,63kg,68kg ary ny +68kg. Tsara ny mampahafantatra fa misy sokajy 16 ny amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny sokajy zandriny, lahy sy vavy, 8 ho an’ireo lehilahy ary 8 ho an’ireo vehivavy. Tsy voatery ho feno kosa ireo isa ireo ho an’i Madagasikara. Ezaka kosa ny andefasana solotena maro any amin’ny sehatra iraisam-pirenena raha ny nambaran’ny tale teknika nasionaly. Manomboka ny 1 hatramin’ny 6 oktobra izany fifaninanana izany, hatao any Korea.

Lire la suite

Articles Similaires