• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Proleague
Image
Sport

Amboaran’ny CAF - Elgeco Plus, hihoatra ny zava-bita teo aloha

21/08/2024 14:59 © Moov

Efa vonona tanteraka hifanandrina amindry zareo Angoley ny ekipan’ny Elgeco Plus.

Ny Alatsinainy 19 Aogositra teo no nigadona tany Angola ny Elgeco plus. Niroso tamin’ny fanazarantena sy nitsapa ny kianja. Androany 21 Aogositra kosa izy ireo no miakatra kianja, fandraisana anjara amin’ny lalao mandroso fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona Afrikanina ny taranja baolina kitra na ny CAF. Hifandoana amindry zareo ny CD Lunda Sul avy any Angola izy ireo anio hariva amin’ny 5 ora (ora eto Madagasikara). Ny kianja Luanda# Estadio 11 Novambro no hanaovana ny lalao, izay hanatontosana ny fihaonana rehetra. Miisa efatra amby roapolo ny isan’ireo mandafitra ny delegasiona hihazo an’i Angola, izay misy mpilalao 18. Efa ao anaty fahavononana tanteraka ny ekipa ankehitriny. Tsara ny fanomanana natao teto Madagasikara ary antenaina ho tsara ny vokatra mandritra ny lalao. Tanjona ao anatin’ity fandraisana anjara ity ny ho tody lavitra amin’ny fifaninanana. Nanambara ny sekretera jeneralin’ny Elgeco Plus, Rakotonirina Théodore fa « ezaka ho tratrarina ny handehanana alavitra amin’ny fandraisana anjara, ary hiohatra ny tamin’ny taon-dasa, mba tsy ho raraka dieny dingana voalohany ».

Manantena fandresena ny ekipa

Misy ny mpilalao hafa hanatevin-darahana ny ekipan’ny Elgeco Plus. Fandresena na ady sahala no handrandraina ao anaty lalao. Efa faninenina izao no nandray anjara tamin’ ity lalao fiadiana ny amboaran’ny CAF ity ny Elgeco Plus. Teo amin’ny dingana voalohany izy ireo dia raraka tamin’ny fandraisana anjara voalohany. Lalao izay nifandonana tamin’ny Gaborone United. Resy 3 noho 1 izy ireo nandritra ny lalao teto an-toerana. Nandresy 1 noho 0 kosa izy ireo tamin’ny lalao miverina tany Botsoana. Ny taona 2022, tafiakatra tamin’ny fihodinana faharoa ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona Afrikanina ny taranja baolina kitra ny Elgeco Plus. Nifandona tamin’ny PWD Bamenda, avy ao Kamerona izy ireo teo amin’ny dingana savaranonando. Tsy lasa alavitra kosa izy ireo nandritra izany fa nijanona teo amin’ny dingana faharoa hatrany. Ny klioba avy tao Afrika Atsimo no nandavo azy ireo tamin’izany fotoana, ny FC Marumo Gallants.

Lire la suite

Articles Similaires