• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fédération Malgache De Taekwondo Wt
Image
Sport

TAEKWONDO WT : Hiezaka hifehy ny fitaovana vaovao ny mpikatroka

20/08/2024 16:02 © Moov

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fampivondronana ny atleta mpanao ny haiady Taekwondo. Ny hanenjehana ny lenta iraisam-pirenena no tanjona mandritra ny fiofanana.

Ao anaty fanomanana tanteraka ny mpikatroka

Miisa 49 ny mpikatroka miatrika fampivondronana nasionaly ao amin’ny efitra fanomanan-tenan’ny CFAMMA, Nanisana. Nanomboka ny talata 13 aogositra teo ny fanofanana ary miditra ao anatin’ny herinandro faharoa ireo atleta ankehitriny. Ligim-paritra miisa efatra nahitana an'i Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana, ary Matsiatra Ambony no tonga nandray anjara amin'ity fiofanana ity. Ny tale teknika nasionaly, ny tale teknika nasionaly lefitra, ary ireo mpanazatra nasionaly maro no miandraikitra ny fampivondronana. Tanjona voalohany amin'ny izao fiofanana izao ny ho fanamafisana ny haavo tekinika amin'ny haiady Taekwondo WT. Ny fanarahana ny fenitra rehefa miatrika lalao iraisam-pirenena na lalao Olaimpika. Kendrena ao anatin'ity fampivondronana ity koa ny fiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny taranja Taekwondo WT sokajy "zandriny" 15 hatramin’ny 17 taona . Hatao any Korea ny 1 hatramin'ny 6 oktobra 2024 izao izany fifaninanana izany. Jerena ao anatin’ireo 39 miandahy manao ny fampivondronana, araka izany, ireo heverina handeha handrafitra ny ekipam-pirenena . Araka ny fandaharam-potoana naroson'ny departemanta teknika nasionaly, ny 24 aogositra 2024 izao no hiatrika fitsapana ireo mpikatroka. Mitohy kosa ny fampivondronana aorian'izay miaraka amin’ ireo Atleta tafiditra anaty ekipam-pirenena malagasy.

Hiezaka hifehy ireo fitaovana

Hivoaka ny sabotsy 24 aogositra izao ny lisitr’ireo mpikatroka handrafitra ny ekipam-pirenena. Misy sokajy 16 ny amin’ny fifaninana, 8 ho an’ny lehilahy ary 8 ho an’ny vehivavy. Tsy voatery ho feno kosa ireo isa ireo ho an’i Madagasikara. Ezaka kosa ny andefasana solon-tena maro any amin’ny sehatra iraisam-pirenena raha ny nambaran’ny tale teknika nasionlain’ny Taekwondo WT, Dimbiheriniaina Fanomezantsoa. Mbola mamolaka sy manavao ireo fitaovana ara-teknolojia kosa ny mpikatroka ankehitriny. Hatramin’izay dia nijanona tamin’ny fitsarana mivantana ny mpitsara lalao teto Madagasikara. Efa ambony kosa ny lenta iraisam-pirenena ka ilaina fahafehezana tanteraka ireo fitaovana mba hahazoana isa tsara. « Maro ireo isa tokony hotratrarina sy azo mora foana raha voafehintsika ireo fitaovana ireo. Izany no hanaovana fanomanana mialoha mba tsy hisy ny tampoka », araka ny fanazavana nentin’ny tale tekinika nasionaly.

Lire la suite

Articles Similaires