• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Rugby
Image
Sport

Makis Ladies - Ho fantantra ny anaran’ny mpilalao handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena baolina lavalava WXV-3

20/08/2024 15:52 © Moov

Mitohy ny fanomanan-tena ho an’ny mpilalao baolina lavalava vehivavy malagasy izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany sokajy D3, lalaovin’olona 15.

Manomboka ny 27 septambra 2024 izao ny fifanintsanana, tontosaina any Dubai. Araka ny fampahafantarana avy amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona, anio no hivoaka ny anarana handrafitra ny ekipam-pirenena. Miisa 35 izy ireo no hifantenana ary natao ny sabotsy lasa teo ny lalao fitsapana. Nojerena tamin’izany ny fahaiza-manaon'ny tsirairay, ny tanjaka ary ny fahaizana mitazona baolina. Isan’ny singa narahi-maso tamin’ireo mpilalao koa ny fahaizany mandray ireo tekinika sy taktika avy amin’ny mpanazatra. Mbola mifangaro ireo Makis Ladies teo aloha sy vaovao nandritra ity fampivondronana ity. Nampiarahina nilalao izy ireo tao anatin’ny fitsapana. Tao anatin’ireo tonga nanatrika izany kosa ilay « préparateur physique » teratany Franco-iralandais, Antoine Mobian. Ny tenany dia anisan’ireo manampahaizana avy amin’ny « World Rugby ». Efa tsy eto an-toerana intsony kosa ilay « consultant technique » Steph Nel, avy ao Afrika Atsimo, tonga nampiofana ny ekipan'ny Makis Ladies. Mbola ao anaty fandalinana ireo horonan-tsary natao tamin’ny sabotsy teo ny mpanazatra sy tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona ankehitriny. Aorian’izay dia hamoaka ny lisitra ofisialy ny ekipam-pirenena hisolo tena an’i Madagasikara izy ireo.

Hifandona amin’ireo vondrona « A »

Ao amin’ny vondrona B no misy ny Makis Ladies mandritra ny lalao fiadiana ny ho tompondaka eran-tany sokajy D3, lalaovin’olona 15 izay. Misy an’i Fidji sy i Pays-Bas. Raha ny fandaharan-dalao, tsy mifandona intsony ireo ekipa miray vondrona fa ireo any amin’ny vondrona hafa no mifanandrina. Firenena isany hifampitana amintsika ao anatin’izany ny sokajy « A » izay misy an’i Espagne sy Hong-kong ary Samoa. Hihaona amin’ny Malagasy voalohany ry zareo avy any Espagne, ny 29 septambra izao. Lalao faharoa kosa ny 4 oktobra hifanandrinana amin’i Hong-Kong. Ny 11 oktobra kosa ny lalao hifandonana amin’ny Samoa. Ny kianja « The Sevens Stadium" kosa no hanatanterahana ireo lalao rehetra ao anatin’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa mbola hisy ny lalao fitsapana iarahana amin-dry zareo Kenianina mialoha ny hihazoana an’i Dubai. Fanomanan-tena tena ilaina tokoa ary ho fanamafisana ny traikefa an’ireo Makis ny anton’izany.

Lire la suite

Articles Similaires