• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

Baolina kitra tompondakan’ny ligy aty Afrika : Nijanona ady sahala ny lalao

19/08/2024 16:00 © Moov

Nifampitana tsara ireo ekipa roa tonta, ny Orlando Pirates sy ny Disciples FC nandritra ny fihaonana.

Nampitovy tanjaka ny klioba roa

Nahafinaritra ny lalao teo amin’ny klioban’ny Afrika Atsimo sy Madagasikara nandritra ny lalao notontosaina tao amin’ny kianja Cote d’Or Maurice omaly. Lalao savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’ny ligy aty Afrika eo amin’ny taranja Baolina kitra izany. Ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates no nifandrina tao anaty lalao. Nitovy ny tanjaka teo amin’ny roa tonta ka samy tsy nisy afa-bela hatramin’ny farany. Teo amin’ny 15 minitra nilalaovana dia hita nametraka tanteraka nympilalao Malagasy. Nisesisesy ny fanafihana ary natetika ny fifamaliana. Niezaka nanova paikady ny Afrikanina Tatsimo ary niha-nahazo tanjaka ireto farany. Nitombo ny fahasarotana teo amin’ny famoahana baolina ho an’ireo Malagasy. Tsy tapaka ny fanafihana ho andry zareo Orlando Pirates. Nipetraka tsara kosa ny fiarovan-tena ho an’ireo Disciples FC. Tsy nisy ny famonoam-baolina teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nisaraka ady sahala tamin’ny isa 0 noho 0 ny lalao.

Efa ambony ny traikefan’ireo mpilalao nandray anjara

Ekipa manana ny maha izy azy tanteraka ny Orlando Pirates. Sambany kosa ny Disciples FC no mandray anjara amin’ity fifaninanana ity. Maro amin’ireo mpilalao Malagasy mandrafitra ny Disciples FC kosa no efa nisehetra tao anatin’ny lalao iraisam-pirenena tahaka izao. Hita ho voafehiny mpanazatra tsara izay fahaiza-manan’ireo mpilalaony ireo izay ka nahafahana nametraka tsara nandritra ny lalao. Ny zoma 23 Aogositra izao kosa no tanterahina ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta, any Afrika Atsimo. Raha ho an’ireo fifaninanana hafa tanterahina atsy Afrika kosa, mbola hisy ny lalao mandroso handraisany Elgeco Plus anjara. Lalao mandroso fiadiana ny amboaran’ny « CAF » na ny kaonfederasiona Afrikanina ny baolina kitra. Hifandona amin’izy ireo ny CD Lunda Sul an’i Angola. Ny kianja Luanda# Estadio 11 Novambro no hanaovana ny lalao, izay hanatontosana ny fihaonana rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires