• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Metro
Image
Sport

Baskety Vétéran : Ho fanoitra ho an’ny taranja baskety no tanjona ho an’ireo mpilalao zokiny

19/08/2024 15:56 © Moov

Mbola mametraka tsara ireo mpilalao zokiny ao anatin’ny taranja baskety.

Noraisin’ny ligin’Analamanga ny fampiantranoana ny lalao tamin’ity fifaninanana nasionaly eo amin’ny taranja baskety zokiny ity na ny « championnat national basket vétérans ». Tontosaina eny amin’ny kianjan'i Mahamasina ny lalao nanomboka omaly 18 aogositra hatramin’ny alahady 25 aogositra izao. Ity no betsaka indrindra ny taham-pandraisana anjara raha ampitahaina tamin’ireo lalao teo aloha. Ny vehivavy no tena hita navitrika tamin’ny fandraisana anjara. Tranga izay isan’ny nahavelombolo tao anatin’ity hetsika karakarain’ny federasioana malagasin'ny baskety baolina ity izany. Miisa 62 ireo mpifaninana, 26 lehilahy, 36 vehivavy. Namparisika ireo mpandray anjara ny toerana nanaovana ny lalao ary nahafa-po ny mpikarakara ny fahazoan-dalana hampiasa kianja manaraka ny fenitra tokony ho izy mandritra ny fifanintsanana nasionaly tahaka izao. Ny lalao baskety dia mivoatra isaky ny vanim-potoana. Misy hatrany ny lesoka, sy fomba filalao azon'ny tsirairay alain-tahaka. Izany indrindra no ezahina hapetraka ao anatin’ity fifaninam-pirenena iray ity. Ho modely ho an’ireo zandry, zanaka misehatra ao anatin’ity tontolo ity no tanjona , izay ho lasa ohatra ao anatin’ny taranja baskety. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alahady 19 aogositra moa ny fifaninanana, natao teny amin’ny kianjan' ny Barea Mamahasina hatrany.

Tsy mijanona ho an'ny baolina kitra irery ihany ny Kianja !

Na nisy aza ny fahasarotana teo amin’ny fampiasana ny kianja teo aloha, hita ho mora sy nalalaka kosa ny fangatahana ny fampiasana azy raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny taranja baskety zokiny ity. Ao anaty fanamboarana tanteraka ny kianja Barea ankehitriny. Mbola tsy azo ampiasaina ny bozaka raha ny zava-misy eny an-toerana. Ny kianja ao anatiny irery ihany anefa no tsy miasa. Azo sitrahin’ny rehetra kosa ny kianja ivelany sy manodidina ny « stade Barea ». Hetsika sy fanomanan-tena maro no efa raisina. Fangatahan’ny maro efa nandritra ny volana maro nisian’ny kianja kosa izany ka rariny raha afaka ampiasaina amin’ny tokony ho izy.

Lire la suite

Articles Similaires