• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sortir À Paris
Image
Sport

Tsipy kanetibe- Voafehin’ny Malagasy tanteraka ny fahaiza-manao amin’izany

16/08/2024 15:01 © Moov

Mitohy ny fandraisana anjara amin’ny lalao « masters de pétanque » sy tournée estivale tontosaina any Frantsa. Mametraka ny fahaiza- manaony tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy anatin’izany.

Ao anaty tanjany tanteraka ny ekipa malagasy

Tsara ny vokatra ho an’ny mpilalao malagasy niatrika ny fifaninanana tsipy kanetibe iraisam-pirenena « Mondial La Romanaise 2024 », tany Romans-Sur-Isère, any Frantsa, ny 13 sy 14 aogositra teo. Fandresana indray no azon’ny ekipan-dry Balôty, Tselonina ary i Havana. Hita fa manomboka mifankahazatra tsara ireto mpilalao ireto eny ambony kianja. Ireto farany izay isan’ny mandray anjara amin’ny fifaninanana « Masters de pétanque » nanomboka ny volana jona teo. Fifaninanana fahafito nandraisan’izy ireo anjara ity tao Romans sur Isere ity, tafiditra ao anatin’ny fitetezana mandritra ny fotoam-pahavaratra na ny « Tournée estivale ». Ekipa efatra no mandray anjara amin’izany fifaninana izany ho an’i Madagasikara. Saika miovaova isaky ny paikady apetraky ny mpanazatra kosa ny firafitry ny ekipa miara-milalao. Mivoatra hatrany ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan’ny mpilalao tao anatin’ny roa volana izay. Samy mijery ny teboka mampahery sy ny lesoka tokony harenina koa ny mpilalao tao anatin’ireo lalao teo aloha. Fandresena tamin’ny isa 13 noho 2 no azon’ireto ekipa malagasy ireto nanoloana ny ekipa frantsay, nisy an’i Bousquet Clement, Chapeland Steeven ary i Duclos Mathieu. Mampiaiky ny mpifanandrina aminy ny mpilalao malagasy nandritra ny fifandonana. Ny lafiny ara-moraly sy fifantohana kosa no tena nohamafisin’ny mpanazatra tao anatin’ireo fifanintsanana.

Ny « Supranational de Trevoux » indray ny lalao manaraka

Ny fahaizana manipy, fahaizana mikendry sy fifantohana, ireo no tsy maintsy tandrovina tsara rehefa anaty lalao tsipy kanetibe. Nasehon’ny mpilalao malagasy tanteraka izany nandritra ity lalao ity. Tao anatin’ny ekipa an-jatony nandray anjara, hatreto dia antenaina ho tafiditra ho ao anatin’ny ekipa efatra farany milalao ny solon-tenan’i Madagasikara. Miisa 204 ny mpifaninana tamin’ity fifaninana iray ity. Ny farany herinandro izao kosa, hiatrika ny fifaninanana « Supranational de Trevoux » indray izy ireo. Lalao fanomanana ny dingana faharoa ny « Master de pétanque" izay hatao ny faran'ny volana aogositra izao.

Lire la suite

Articles Similaires