• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tojonirina Harilala
Image
Sport

FIBA 3x3 : Mpitsara malagasy voantso hitsara ny « Nations League Africa 2 »

15/08/2024 17:14 © Moov

Misongadina tanteraka ny fanatanjahantena eo amin’ny sehetra iraisampirenena amin’ny alalan’ireo atleta sy tekinisianina malagasy amin’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika any ivelany.

Voaantso hitsara lalao indray ny mpitsara lalao teratany malagasy

Andriamanantsoa Tojonirina Harilala no voatendry hitsara ny lalao mandritra ny fifaninanana « Nations League Africa 2 » basikety lalaovin’olona telo sokajy latsaky ny , 23 taona , tontosaina any Kampala, Ouganda. Firenena miisa 12, izay sokajy enina vehivavy sy enina lehilahy no mandray anjara amin'ity fifanintsanana ity. Ao anatin’ireo mpitsara miisa enina nantsoina handrindra ny lalao ity mpitsara iraisam-pirenena, avy eto Madagasikara ity. Maripahaizana sy fifaninanana iraisampirenena maro no efa niseharany teo amin’ny taranja basikety. Mbola vitsy kosa ny mpitsara lalao malagasy no manana izay traikefa ananany izay.
Ny ekipa voalohany vohosotra ho tompondaka, dia hiaro ny voninahitry ny kaontinanta Afrikanina any Ulaanbataar (Mongolie) amin'ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin'ny volana septambra. Mpitsara roa hatreto no tena misongadina eo amin’izay sehetra iraisampirenena izay raha ho an’i Madagasikara, dia i Yann Vezo sy Andriamanantsoa Tojonirina. Isan’ny ezaka hapetraky ny federasiona malagasin'ny Basketball hatrany ny fampiakarana ny lentan’ny mpitsara lalao. Isan-taona dia misy fanadinana sy fanofanana ny mpitsara lalao mba hahatrarana ny fenitra eran-tany.

Taranja basikety, tompondaka « vétéran »

Ny Sabotsy 17 aogositra hatramin’ny 25 aogositra izao no tanterahina ny lalao fiadiana ny tompondakan’i Maagasikara 2024, taranja Basikety, sokajy « vétéran » lehilahy sy vehivavy. Efa tafakatra 59 ny isan’ireo ekipa handray anjara, 35 ny vehivavy ary 24 ny lehilahy. Ligim-paritra 11 amin’ireo ligy miisa 22 mandrafitra ny federasiona malagasin' ny basikety no hita ao anatin’izany fifaninanana izany. Misy ny solon-tena avy any Amoron’i Mania, Atsinanana, Boeny, Diana, Matsiatra Ambony, Sava, Vakinankaratra, Analamanga, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Alaotra Mangoro. Ny ligin’ Analamanga no manana ekipa be indrindra mandray anjara na eo amin’ny sokajy lahy izany na vavy. Tsara ny mampahafantatra fa taorian'ny fiadiana ny tompondakan'ny latsaky ny 14 taona zazalahy sy zazavavy tany Mahajanga, efa mandeha amin’izao fotoana ny fifaninanana basikety latsaky ny 18 taona, zatovoahy sy zatovovavy izay tontosaina any Toliara.

Lire la suite

Articles Similaires