• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

CAN 2025- 02 Septambra izao no hanomboka ny fampivondronana ny Barea

14/08/2024 16:45 © Moov

03 andro no hampivondronana ny Barea, fotoana fohy nefa antenaina fa ampy hametrahana tsara ny paik’ady hiarahan’ireo mpilalao.

Tsy sakana avy eto an-toerana fa ny sehatra iraisam-pirenena

Ny 5 septambra izao no hatao ny lalao fifanintsanana fiadiana ny amboaran’i Afrika taranja baolina kitra na ny CAN 2025, any Tonizia. Lalao voalohany ho hatrehan’ny Barea an’i Madagasikara izany. Ny 9 septambra ny andro faharoa ho any lalao, izay hihaonana amin’ny Kaomoro ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi ao Tonizia hatrany. Ho kely ny fotoana hananany ekipam-pirenena malagasy hanaovana fampivondronana raha vaovao azo. Telo andro mialoha ny lalao vao hisy izany, ny 02 septambra. Isan’ny antony tsy ahafahana miroso amin’ny fanazarantena miaraka ny tsy fisokafan’ny varavarankelin’ny FIFA, tsy ahafahan’ireo mpilalao any ivelany handao ny kliobany mialohan’izay.

Hisy ny fitiliana mpilalao vaovao

Zava-dehibe ho an’ny lalao iraisana tahaka izao ny fanaovana fampivondronana miaraka. Tapa-bolana mialoha ny lalao no tokony hisy fampivondronana. Isan’ny lesoka teo amin’ny ekipam-pirenena teo aloha ny fanaovana izany antomotra. Antony nahatonga ireo voka-dalao tsy nahafa-po hatramin’izay izany. Tombony nahafahantsika nahazo vokatra tsara nandritra ny fifandonana tany Afrika Atsimo tao anatin’ny andro fahatelo sy fahaefatry ny fifanintsanana fiadiana ny amboara eran-tany. Naharitra folo andro ny fampivondronana tamin’izany. Ny herinandro ambony iny kosa no fantatra fa hivoaka ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena. Mbola tsy misy ny siosion-dresaka mahakasika ireo mpilalao ao anatin’izany. Fantatra fa mbola hisy ny fitsirihana mpilalao hafa sy fifampiresahana amin’izy ireo vao afaka hiroso amin’ny famoahana anarana ny federasiona. Nanamafy izany ny mpanazatra nasionalin’ny ekipam-pirenena malagasy, Rakotondrabe Romuald na i coach Rôrô « efa antomotra ny fotoana kanefa tsy maintsy mbola hanainga ho any Frantsa aho hiresaka amin’ireo mpilalao vaovao mety handrafitra ny ekipa. Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny fotoana handehanana any ivelany, fa ny azo antoka dia tsy maintsy ho tontosa izay vinavina izay. Fanontanina mbola tsy misy valiny ihany koa ny mety ho isan’ireo mpilalao hanantevin-daharana ny Barea izay miandry ny fiverenako avy any Frantsa ».

Lire la suite

Articles Similaires