• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Net
Image
Sport

Fifaninana Afrikanina- Tsy hilalao hiaraka amin’ny Disciples FC i El Hadari

14/08/2024 16:38 © Moov

Efa maherin’ny telo herinandro izay no niatrika fampivondronana miaraka ny klioban’ny Dispiles FC. Tsara ny fanomanana ary tsy tokony hisy ny tampoka.

Manantena vokatra tsara ny Disciples FC

Hanainga eto an-tanindrazana rahampitso ny delegasiana ny Disciples FC. Hihazo an’i Afrika Atsimo izy ireo hiatrika ny lalao fiadiana ny ho tompondakan’ny ligy aty Afrika 2024-2025. Ny Orlando Pirates, tompondaka farany no hifanandrina amin’izy ireo, ny Alahady 18 Aogositra izao. Ity no lalao mandroso voalohany ao anatin’ny fihodinana voalohany raha araka ny fandaharam-potoana. Mpilalao telo no neverina hanatevin-daharana ny klioba izay nisy an’i Rakotoarisoa Tiavina na i Donga, Randriamanampisoa Nicolas ary i Raheriniana El Hadari. Roa sisa izy ireo ankehitriny no hanampy ny klioba hiazo an’i Afrika Atsimo. Mpilalao avy ao amin’ny Fosa Juniors avokoa ny roa amin’izy ireo, i Donga sy Nicolas. Ireto farany izay tsy nahitana olana teo amin’ny taratasy fahazoan-dalana hanampy ny klioban’ny Disciples FC.

Mbola antenaina ny hilalaovan’i El Hadari

Raha ny vaovao voaray avy amin’ireo tompon’andraikitry ny klioba, tsy ho avy hanampy tosika ny klioban’ny Disciples FC indray i El Hadari. Olana teo amin’ny taratasy no antony izay tsy fahafahana izay. Tsy manaiky ny hilalaovany ny klioban’ny ao Saint Michel United ao Seychelles. Voatery naka fepetra ny hanajanonana azy ny teo anivon’ny klioban’ny Disciples FC. Fantatra fa tsy mbola mivoaka ankehitriny ny taratasim-panamarinan’ny fifindrana amin’ny sehetra iraisam-pirenena na ny Cti raha maniry ny hanampy ity klioba ity ny tenany. Mety hihitatra hatramin’ny sazy ho an’izay mandika lalana ny tsy fanarahana izay lamina izay raha ny fanazavana nentin’ny sekretera jeneralin’ny Disciples FC, Tojo Razafintsalama. Tsara hatrany anefa ny mampahafantatra fa efa niaraka nanao fanazaran-tena tamin’ ity klioba ity i El Hadari nandritra ny telo herinandro izay. Mbola hisy hatrany kosa ny fifampiresahana amin’ity klioba misy azy ity mba hahafahana mahazo ny taratasy fahazoan-dalana amin’ny lalao manaraka. Ny zoma 23 Aogositra ny lalao miverina izay hatao any Afrika Atsimo hatrany, Johannesburg.

Lire la suite

Articles Similaires