• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Sport

Kianja Barea- Tsy tokony hisy intsony ny faty olona rehefa misy lalao

09/08/2024 15:21 © Moov

Fepetra isan’ny manaraka ny fenitra tokony hanany kianja rehetra ny fiahiana ny fandriampahalemana ho an’ireo mpijery.

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina fampiofanana izay entina hampiroboroboana ny fitandrovana ny Kianja azo antoka rehefa misy lalao. Mpiofana miisa 40 no nandray anjara tamin’ity andiany faha-3 ity. Naharitra telo andro izany atrik’asa izany, nanomboka 6 hatramin’ny 8 aogositra .Mpitandro filaminana sy tompon’andraikitra mikarakara ny lalao no nisitraka izany fampiofanana izany. Tanjon’ny federasioana Malagasy ny Baolina kitra sy ny Kaonfederasiona Afrikanina CAF tamin’ity hetsika ity ny tsy hisian’ny faty olona intsony rehefa misy lalao iraisam-pirenena. Ilaina ny fiomanana, misoroka ny tampoka amin’ny fiatrehana ny lalao ataon’ny ekipam-pirenena ho amin’ny ho avy. Manampahaizana manokana avy amin’ny CAF miisa roa, Ferbani Abd Ei Hafid sy Ababacar Sene no tonga nanome ny fampiofanana niaraka tamin’i Steinberg Kathrina solotenan’ny FIFA. Ho tohiny hetsika, hisy ny fizarana traikefa ho ataon’ireo nahazo fiofanana tamin’ity andiany ity. Mila mampihatra ireo fahalalana azon’ireo nandray anjara. Efa mila mampiseho ny zavatra norantoviny izy ireo na mandritra ireo lalao atao eto an-toerana ary izany. Notsindrin’ireo mampiofana fa tsy ireo lalao fifaninanam-pirenena fotsiny ihany no ilaina fanarahana ny fenitra. Maro ireo fandaharam-piofana nomena azy ireo mba ahafahana misoroka ny loza eny an-kianja, sy ho an’ireo mpijery. Na misy aza ity fiofanana ity, mbola tsy manana kianja ekeny CAF handraisana ireo lalao iraisam-pirenena aloha hatreto i Madagasikara.

Lalaon’ny ligy, efa mametrapetraka farany ny ekipa hisolotena

Ny Alahady 18 Aogositra hoavy izao no handray ny Orlando Pirates ao amin'ny Complexe côte d'Or Stadium atsy amin'ny Maurice ny ekipa hisolotenan’i Madagasikara amin’ny fiodianana voalohan’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika isan-tarika. Mbola ao anatin'ny fanomanana ny ekipan'ny Disciples FC amin'izao fotoana izao. Efa saika mametraka ireo paik'ady sy ny pitsopitsony madinidinika kosa izy ireo raha ny fantatra. Raha ny nambaran'ny mpanazatra tsy azo atao tsinontsinona ny ekipa hifanandrina amin’ity lalao ity. Efa nanana ny lalana efa nodiaviny sy ny zava-bitany ka ilaina fiomanana tanteraka izany. Nisy moa ireo mpilalao avy eto an-toerana sy mila ravinahitra nantsoiny hanatevindaharana ny Disciples FC.

Lire la suite

Articles Similaires