• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aina Amy
Image
Sport

CAF – Mbola tsy handray ny fifanintsanana CAN 2025 ny Kianja Barea

07/08/2024 15:43 © Moov

Ao anaty fampiofananana momba ny fandriampahalemana ireo tompon’andraikitra ny CAF sy FIFA

Mbola maro ireo fanavaozana tokony atao

Tontosaina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina ny fampiofanana momba ny fandriampahalemana omen’ny kaofederasiona Afrikanina ny baolina kitra. Maharitra telo andro eo ity fiofanana ity, nanomboka omaly Talata 06 Aogositra ary mifarana rahampitso. Tonga niatrika izany avokoa moa ireo solontena avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra miaraka amin’ireo tompon’andraikitry ny klioba CFem. Misy ny solotena avy ao amin’ny CAF sy ny FIFA no mitondra ny fampiofanana. Rehefa vita ny fampianarana dia hisy ny fanomezana mari-pahatsiarovana ireo rehetra tonga nandray anjara tamin’izany. Anisan’ireo singa notakina tamin’ny fanavaozana ny kianja Barea Mahamasina ny lafiny fandriampahalemana. Hampitomboina araka izany ny isan’ireo torinike isaky ny vavahady valo hidiran’ireo mpijery. Efa tafapetraka ihany koa ankehitriny ireo tohatra izay miisa 10, miaraka amin’ny toerana ho an’ireo mpanao gazety. Izany rehetra izany dia natao ho fisorohana ny voina mety hitranga mandritra ny lalao ho tanterahina eny an-toerana. mbola tsy niditra amin’ny fanamboarana ny « vestiaire » na ny trano fisoloana akanjo kosa izy ireo amin’izao fotoana. Ankotr’izay, fanamby napetraky ny fitondram-panjakana ary fampanantenana nataon’izy ireo ny fanovana tanteraka ny bozaka. Efa namafisin’ny sekretera jeneraly misahana ny tanana vaovao miaraka amin’ny filohan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra fa soloina tanteraka izany. fantatra ary ankehitriny fa hisy ny fanafarana bozaka any ivelany mba hanoloana ny teo aloha.

Tsy afaka ny handray ireo lalao iraisam-pirenena ny kianja

Tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny CAF ny hanaovana ireo lalao roa fifanintsanana hiadiana ny CAN 2025 i Madagasikara. Raha toa ka ry zareo Toniziana no hampiantrano ny lalao voalohany. Fantatra fa izy ireo hatrany no handray ny lalao hiaonana amin’i Kaomoro. Tsara ny mampatsiahy fa ny Alakamisy 5 septambra ny lalao voalohany amin’izany, hifanandrinan’i Madagasikara sy Tonizia, amin’ny 08 ora alina , ora any an-toerana. Ny 9 septambra kosa ny lalao manaraka manoloana an’i Kaomoro, amin’ny 05 ora hariva, ora any Tonizia ao amin’ny kianja HAMADI AGUERBI RADES.

Lire la suite

Articles Similaires