• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sortir À Paris
Image
Sport

Tompondaka tsipy kanetibe- Nahazo ny tapakila makany La Réunion ny klioban’ny MAMA

06/08/2024 16:51 © Moov

I RASOLONJATOVO Jean na i Drogba sy RAKOTOARISOA Niaina Thiery na i Misa no nandrombaka ny amboara tompondakan’i Madagasikara tsipy kanetibe, lalaon’olondroa sokajy lehilahy.

Tafiditra tsara ireo mpilalao

Nazava ny lalana nahazoana ny fandresena ho an’ny klioban’ny MAMA nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ny taranja tsipy kanetibe ny farany herinandro teo, tao amin’ny « boulodrome » Tanjombato. Isa 13 noho 5 no nandresen’izy ireo ny ekipan’ny BIC izay nisy an’i Lova sy Fano teo amin’ny lalao famaranana. Fandresena nahazoana ny tapakila handraisana anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena izay tontosaina any La Réunion ity natao ity. Izy roa lahy noho izany no andeha hisolo tena an’i Madagasikara any amin’izany lalao izany. Isan’ireo handray anjara amin’ny lalao fitetezam-paritra « tournée estivale » any Frantsa ny taona ho avy ihany koa i Drogba sy i Misa. Raha araka ny fepetra ao anatin’ny lalao fitetezam-paritra, mpilalao telo no mandrafitra ny ekipa iray. Mbola manana fahafahana hanampy mpilalao iray araka izany ny klioban’ny Mama hameno ireo isa ny taona 2025. Manoloana izany kosa, raha misafidy ny haka ekipa avy ao amin’ireo mpilalao nahazo ny tompondakan’i Madagasikara farany, teo amin’ny lalao an’olon-tokana izy ireo dia ny federasaioana no miantoka ny momba ilay mpilalao rehetra.
Miantoka ny lany rehetra mandritra ny fitetezana kosa ny klioba raha maka olona avy ao aminy ihany.

Tafakatra 187 ireo mpandray anjara

Ekipa miisa 101 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana teo amin’ny sokajy lehilahy. 28 ho an’ny vehivavy, 28 ireo zokiolona ary 30 ireo tanora. Naharitra 3 andro no nanatanterahina ny lalao teny Tanjombato. Raha ny voka-dalao, nivoaka mpandresy teo amin’ireo tanora i Randiambelo Francky sy Randriambelo Franco avy ao amin’ny HMPC rehefa nandavo an’i Randrianoah Velonjanahary sy Ranadison Mario (APM) tamin’ny isa 13 noho 1. Teo amin’ny ireo vehivavy, ny ekipan’i Ravololomamonjy Baholy Tiana sy Ramarosandratra Avotra Sujette avy amin’ny IBC rehefa avy nifanandriana tamin’ny Rahanitriniaina Rindrasoa sy Ramiarinarivonirina Cynthia BIC. Ho an’ny sokajy vétéran kosa, i Randriamampionona Raymond sy Joseph Benjamin avy ao amin’ny Besady + no tompondaka.

Lire la suite

Articles Similaires