• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fra-Our-Dogs
Image
Sport

U18 Volley-ball- Tompondakan’i Madagasikara ny Bi’as Analamanga sy Mami Toamasina

05/08/2024 16:50 © Moov

Tany amin’ny sokajy lehilahy no nahitana ireo mpilalao an’ny faritra Atsinanana

Namiratra ny sokajy lehilahy ho an'ny faritra Atsinanana

Miha mametraka tanteraka ny toerany ny MVBC Boeny ao anatin’ny taranja volley-ball. Nomontsanin’izy ireo teo amin’ny dingana manasa-dalana ny klioban’ny Stef’Auto nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara volleyball sokajy latsaky ny 18taona, Toamasina. Nivoaka mpandresy tamin’ny seta 3 noho 0 izy ireo tao anatin’ny fifandonana. Hita tao anatin’ny lalao ny fihidinan’ny tanjak’ireo mpilalao avy ao amin’ny Stef’Auto. Nahazo ny laharana fahatelo ihany ireto klioban’ny Toamasina ireto nandritra ny lalao fiadian-toerana. Nifanandrina tamin’ny EVBI Ihosy izy ireo tao anatin’izany. Ny MVBC Boeny sy ny Bi’as Analamanga kosa no niady ny famaranana teo amin’ny sokajy vehivavy. Nivoaka mpandresy tamin’ny seta 3 noho 0 ny Bi’as nandritra izany. Tsy mora ny lalao teo amin’ny roa tonta, 16/25 ny seta voalohany, 15/25 seta faharoa, 20/25 ny fahatelo.

Tsara fidirana ireo ekipan’ny Toamasina

Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, ny ASI Analamanga sy ny Mami Atsinanana no nifandona teo amin’ny lalao famaranana. Nifampitana tsara ireo mpilalao, fa tsy ampy nandavoana ny ekipan’ny Mami avy ao Toamasina izany. Nifanakaiky hatrany ny isa teo amin’ny fiadiana ireo seta 25/19, 23/25 22/25. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny seta 3 noho 0 ny Mami Atsinanana. Raha ny fandaharam-potoana manaraka eo amin’ny taranja iray ity, hotontosaina ny 25 aogositra izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mdagasikara eo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taoa lahy sy vavy, any Antsirabe. Antenaina hitombo, raha ny nambaran’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona, ny fandraisana anjara an’ireo klioba sy faritra mandritra izany. Hita ho mahazo ny toerany koa tao anatin’ireo lalao efa notanterahina ireo klioba vaovao. Mivoatra ao anatin’izany ireo taninketsa vao hitondra avo ny taranja volleyball eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires