• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © France Comfort
Image
Sport

Tsipy kanetibe- Hisy fifantenana manokana ho an’ireo hiatrika ny « Mondial »

05/08/2024 16:46 © Moov

Tsy ny klioba mivoaka mpandresy amin’ny lalao fifanintsanana nasionaly intsony no mandray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka manerantany.

Isa sy lentan’ireo mpilalao no tsaraina

Ho tanterahina any Dijon, Frantsa ny volana desambra 2024 izao ny fiadiana ny tompondaka manerantany ny tsipy kanetibe. Raha araka ny fitsipika iraisam-pirenena, ireo mpilalao mendrika hisolo tena ny firenena iray no mandray anjara amin’izany. Manankery amin’ireo firenena rehetra manditra ny fifaninana izay fepetra izay. Manoloana izay fandaminana vaovao napetraky ny rafitra iraisam-pirenena izay, tsy fifaninana hiadian-toerana intsony ankehitriny ireo lalao fiadiana ny ho tompondaka an’i Afrika. Mijanona ho lalao fakana isa fotsiny sisa izy ireny. Miankina amin’ny filaharana iraisam-pirenena manomboka izao ny fahazoana halalana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka manerantany. Ao anatin’izao fiverenanan’ny Madagasikara ao anatin’ny sehatra iraisam-pirenena izao. Hanao ezaka ny federasioana hanatrarana ireo isa sy hanatsarana ny lentan’ireo mpikatroka.

Hisy ny kaomity hanara-maso ny fifantenana ny mpilalao

Ho an’ny Madagasikara manokana, tsy hiankina amin’ireo ekipa voahosotra ho tompondaka intsony araka izany ny fandehanana any amin’ny « mondial », nanamafy izany ny filohan’ny federasiona Malagasy ny tsipy kanetibe. Efa nankatoavin’ireo ligim-paritra rehetra manerana ny nosy izay fanapahan-kevitra izay. Hisy araka izany ny fifantentenana ireo ekipa manomboka izao. Ireo sokajy « senior » aloha hatreto no voakasik’izay raha ny tatitry ny fivoriana niarahan’ireo ligim-paritra miisa 07 ny alakamisy 01 aogositra teo. Eo anatrehan’izay fiovana izay, nisy ny fangatahana nataon’izy ireo hidirana ao anatin’ny rafitra mpanara-maso. Hitovy rafitra amin’ireo kaomity mpitantatana ity rafitra iray ity. Tanjona amin’izany ny hametrahana ny fangarahana ao anatin’ny fitanantanana sy ny fifantenana ny ekipa. Dingana iray ahafahana manatsara tanteraka ny tontolon’ny tsipy kanetibe eto Madagasikara izao fanovana izany. Fanantenana ho an’ireo mpisehatra ao anatin’ny kosa ny fitohizan’ny fanavaozana tahaka izao.

Lire la suite

Articles Similaires