• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Rugby
Image
Sport

BAOLINA LAVALAVA WXV-3 : Hiatrika lalao tsapa amin’i Kenya ny MAKIS Vehivavy

02/08/2024 16:24 © Moov

Handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany ny baolina lavalava ny Makis vehivavy

Miditra amin’ny fanomanantena faharoa

Hanomboka ny farany volana septambra izao ny fifaninanana iraisam-pirenena baolina lavalava WXV-3, hatao any Dubai. Lalao santatra ho azy ireo ny fihaonana amin’ny Espaina, ny Septambra 2024. Manaraka izay, mbola hisy ny lalao hifandonana amin’ny Hong-kong ny 04 Oktobra izao hatrany. Efa ao anaty fanomanantena tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy, Makis vehivavy, amin’izao fotoana. Miisa 34 izy ireo no nantsoina hanao ny fampivondronanana, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Ao anatin’ny dingana faharoan’ny fanazarantena kosa ireto mpilalao ireto ankehitriny. Tao aorinan’ny fangatahan’ny Federasionina Malagasy ny Rugby amin’ny fanaovana lalao tsapa tamin’ireo ekipa miaraka amin’ny firenena hafa. Namaly izany ny federasionina ny firenena Kenya ary nanaika ny hisian’ny lalao tsapa mialoha ny hirosoana amin’ny fifaninanana any Dubai. Nambaran’ny tale teknika nasionalin’ny baolina lavalava « mialoha ny andehantsika any Dubai no hatao ny lalao tsapa. Mpifanandrina tsara hakana traikefa ry zareo Kenianina ary lalana isan’ny tsy maintsy handalovana ny firenen’izy ireo raha hihazo an’i Dubai, ka tsara raha misy izay fifandonana kely izay. Tsy tokony hametraka olana, araka izany, ny fandaniana ho hatao mandritra izay lalao izay.

Hampitovy ny tanjaky ny mpilalao no tanjona

Hanomboka tsy ho ela ao anatin’ny fampivondronana mihiboka ny Makis vehivavy afaka andro vitsy. Herinandro eo no faharetan’izany ary mbola hisy ny fampivondronana faharoa ny volana septambra izao. Intelo isaky ny herinandro hatreto ny fanazarantena ataon’izy ireo. Heverina hiakatra tsikelikely izay fanazarantena izay ao anatin’ny roa volana tsy hahatongavan’ny fifaninanana iraisam-pirenena baolina lavalava WXV-3, hatao any Dubai. Miompana kokoa amin’ny fanamafisana ny ara-batana ny fanazarantena faharoa hatrehin’ny Makis ankehitriny. Tsikaritra mbola misy fahasamihafana ny tanjaky ny mpilalao raha ny nambaran’ny mpanazatra azy ireo. Ezaka hotratrarina ho an’ny ekipa, araka izany, ny hampiakarana ny lentan’ireo Makis vehivavy rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires