• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ownsport
Image
Sport

Can 2025 - Tsy mbola fantatra ny kianja hilalaovan’ny Barea

01/08/2024 16:43 © Moov

Ny 05 septambra 2024 no hanomboka ny 05 Septambra 2024 ny lalao fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboar’i Afrika amin’ny taranja baolina kitra, CAN 2025, ho an’ireo Barea. Any Tonizia no hotanterahina ny lalao voalohany. Baraingo mipetraka ho any rehetra kosa ny kianja ho any lalao faharoa.

Ny stade Hamadi-Aguerbi Radès, any Tonizia no hanatanterahana ny lalao voalohany eo amin’ireo Tonizia sy Madagasikara. Hamaritra ny tohin’ny fifanintsanana ho an’i Madagasikara ity lalao ity. Tokony hivoaka mpandresy na manao lalao ady sahala amin’ireo Tonizianina ny Malagasy raha maniry hahazo ny tapakila. Mpitsara efatra avy ao amin’ny Repoblika demokratikan’i Congo no hitsara ny lalao. I Madagasikara indray kosa no hampiantrano ny lalao faharoa, hiaonana amin-dry zareo Kaomorianina. Mijanona ho baraingo hatreto ny toerana sy ny kianja, na koa ny daty hanatontosana izany. Mbola tsy manana kianja manaraka ny fenitra takiana amin’ny lalao iraisam-pirenena i Madagasiraka, antony tsy ahafahana mbola mandray ny lalao. Raha ny nambaran’ny tale misahana ny fifaninanana ao amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, « Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny toerana hampiantranontsika ny fihaonana amin’i Kaomoro. Tsy marina ny filazana fa any Maraoka no hanatanterahina izany. Mbola tsy misy ny fangatahana ny hampiasa ny kianja any an-toerana ary mbola mitady ny toerana hanaovana io lalao io ny federasioana ». Ny talata 06 Aogositra izao no hanao fivoriana ny komity mpanatanteraka ny FMF. Horesahana mandritra izany ny toerana handraisan’ny Barea lalao izay vinavinaina ny volana septambra izao.

Hiverina hitsirika ny kianja ny FIFA

Mbola kely ny fanantenana ny amin’ny handraisan’ny kianja Barea Mahamasina ity fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra ity. Hisy hatrany ny ezaka amin’ny fanamboarana kianja ny Barea eny Mahamasina sy ny fangatahana fankatoavana amin’ny FIFA, raha ny nambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao. Ny volana oktobra na novambra no hinoana hahazoana izany raha tsy azo ao anatin’ny volana septambra, raha ny nambarany hatrany tao anaty fanadihadiana taminy ny volana Jona teo. Raha tsy misy ny fiovana eo amin’ny fandaharam-potoanan’ny CAF, amin’ity volana Aogositra ity izy ireo no ho avy eto Madagasikara hanao fitsirihana. Miankina amin’izay tranga hitan’izy ireo mandritra ny fandalovana eto an-toerana izay ny fahazoana ny fankatoavana.
Araka ny tetiandro navoakan’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra CAF, tokony hampiantrano ny fihaonana amin’ny Gambia isika amin’ny fiandohan’ny volana oktobra.

Lire la suite

Articles Similaires