• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L.Mazure
Image
Sport

BAREA - Efa manomana ny fiverenany an-kianja i Metanire

31/07/2024 15:12 © Moov

Lalao fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny tompondaka erantany ny taona 2026 roa no tsy natrehan’i Romain Metanire noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny lohalika. Vita soaman-tsara ny fandidina azy ary vonona ny hiatrika ny tohiny ny tenany.

Toejavatra isan’ny sarotra ny miatrika ratra na loza ara-batana ho an’ireo mpilalao. Misy fiantraikany eo amin’ny fomba filalao sy ny fiainana maha atleta hatrany izy ireny na ny mialoha, mandritra na ao aorin’izany. Isan’ny nanamafy izany i Romain Metanire, ilay vodilaharana havanana malagasy ao amin’ny Barea Madagascar tao anaty fanehoan-keviny teny amin’ny tambazotran-tserasera. Vita ny alatsinaina lasa teo moa ny fandidina ny lohalina havia, tany Etazonia. Raha tsiahivina, tamin’ny volana mey lasa teo no nisedra izay voina izay i Metanire. Tsy misy intsony ny mety ahina amin’ny toe-pasalamany. Miandrandra ny hivereneny tsy ho ela eny ambony kianja ny mpanaraka azy. Efa miroso amin’ny fanaovanao ireo fihetsika fanetseham-batana maro samihafa izy raha ny nambarany. Tsara ny mampatsiahy fa noho ity ratra nahazo azy ity no tsy nandraisany anjara tamin’ny andro fahatelo sy fahaefatry ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny amboara maneran-tany ho an’ny baolina kitra 2026, tany Afrika Atsimo. Naneho fisaorana sy fankatelemana ireo fianakaviana sy mpiara milalao aminy ao amin’ny Barea i Romain Metanire tao anaty fanehon-keviny ary vonona tanteraka hatrika ny tohin’ny fitsaboana tokony ataony.

Tsy mbola handray anjara amin’ny CAN 2025 i Metanire

I Romain Metanire dia isan’ireo mpilalao Barea manana ny maha izy azy. Milalao ao amin’ny Spokane Velocity ny tovolahy ankehitriny, mifaninana ao amin’ny United Soccer League Championship (USLC), any Amerika. Nambaran’ny mpanazatra ao amin’ity klioba vaovao misy azy ity fa isan’ireo mpilalao manana traikefa ambony i Metanire ary tombony ho azy ireo ny fananana azy. Efa nilalao nandritra ny efa-taona tao amin’ny MLS ny tenany mialoha izany ary efa niatrika fifanintsanana ho an’ny amboara manerantany ny taona 2023. Hatreto, hita mbola ambany ny fanantenana hahatafiditra azy amin’ireo handrafitra ny Barea amin’ny andro voalohany sy faharoan’ny fifanintsanan’ny CAN 2025, tanterahina ny 5 septambra izao ao amin’ny Stade olympique Hammadi-Aguerbide Radès any Tonizia.

Lire la suite

Articles Similaires