• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Zoki Kaleb
Image
Sport

TSIPY KANETIBE - Nahazo ny amboara « nationale de miribel cotiere 2024 » ny Ekipa Malagasy

30/07/2024 14:10 © Moov

Tsara hatreto ny vokatra ho an’ny solon-tenan’i Madagasikara mandray anjara amin’ny fifaninanana tsipy kanetibe amin’ny fitetezam-paritra na ny « tournée estivale », tontosaina any Frantsa

Mametraka hatrany ny ekipa Malagasy

Maharitra 3 volana eo ny faharetan’ny fifaninana. Nanomboka ny 26 jona teo ary hifarana ny 28 aogositra ny lalao farany. Raha tafita amin’ireo dingana fitetezam-paritra ireo ny ekipa dia afaka miatrika ny « Final Four » izay lalao famaranana ny 8 sy 9 septambra.
Fandresena voalohany norombahin’ny Malagasy ny « National d’Yzeure » natao ny 6 sy 7 jolay teo. Fifandonana teo amin’ny samy Malagasy ihany moa no nisy, izay nifanandrinan’i Havana sy ry Bruno. Nivoaka mpandresy tao anatin’io lalao io kosa ny ekipan’i Hery, Bruno ary i Zigle. Manaraka izay, fandresena faharoa azon’ny ireo ekipa malagasy manao ny « tournée estivale » izay misy an’i Donald, Yves ary i Hery ny « nationale de Miribel Côtière 2024 ». Resin’izy telo mirahalahy tamin’ny isa 13 no 10 ny ekipa frantsay nifandoana taminy, tao amin’ny kianja Saint-Maurice-de-Beynost ny faran'ny herinandro teo.
Ekipa efatra no misolo tena an’i Madagasikara ao anatin’ireo fitetezana an’i Lafrantsa. Ekipa voalohany misy an’i Andry Herilalaina Jean Bruno, Andrianiaina Christian Martin, Razafimahatratra Herilantosoa; ekipa faharoa misy an’i Andrianjaka Jean Michel, Ramanantiaray Faralahy Urbain, Rafanomezantsoa Andriamahazo; ekipa fahatelo misy an’i Rakotondrainibe Daniel, Rakotoniaina Faratiana, Ralison Heritiana Guillaume ary ekipa fahefatra misy an’i Ratsimba Hery, Rakotoarisoa Yves Sedrick, Andrianantenaina Faly Donald.

Ny fifaninana « Compétition d’Espalion » indray no miandry azy ireo

Hatramin’ny nanombohan‘ny lalao, fifaninanana telo isaky ny faran'ny herinandro no atrehin’ny mpandray anjara. Lalao manaraka hataon’ireto ekipa malagasy fahefatra ireto ny « Compétition d’Espalion » izay tontosaina any Espalion ny faran'ny herinandro izao. Misy fifaninanana « triplette, tête à tête, doublette ary triplette mixte » mandritra izany. Ny Alakamisy 01 aogositra izao no hanainga ao Nante hiazo ity toerana hifaninanana ity ireo mpilalao. Tsara ny mampahafantatra fa ao Nante no toerana hivondronan’ny ekipa malagasy rehetra mandray anjara amin’ny « tournée estivale ». Nambaran’i Yves Sedrick, mpilalao tsipy kanetibe fa « tanjona ao anatin’ity fitetezam-paritra ataon’izy ireo ity ny hampahafantarana fa anisan’ny taranja voafehin’ny Malagasy ny tsipy kanetibe, ary na nisy ny sazy tsy nandraisana anjara tamin’ny lalao iraisam-pirenena teo aloha dia mbola tsy lefy ny traikefan’ny mpilalao ».

Lire la suite

Articles Similaires