• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fsbm
Image
Sport

Masters de pétanque 2024 - Efa tonga any paris ny ekipam-pirenena malagasy

24/06/2024 20:06 © Moov

Efa vonona tanteraka ny ekipa hiatrika ireo lalao santatra ny 26 Jona ho avy izao. Ao anaty firaisankina sy fiaraha-mientana hatrany no hiatrehan’izy ireo ny fifaninana

Mampanantena vokatra tsara ireo mpilalao

Ny Sabotsy 22 Jona teo no nanainga ireo delegasiona malagasy izay hiatrika ny " MASTERS" sy ny "TOURNOI ESTIVAL" amin’ny taranja tsipy kanetibe hatao any Paris, Frantsa. Vita ara-potoana ihany ireo antontan-taratasy nilaina tamin’ny sidina. Efa any an-toerana amin’izao fotoana ny ekipa hisolo tena an’i Madagasikara. Tsiahivina, ekipa Malagasy roa no mandray anjara amin’ity lalao ity. Fihaonana voalohany hatrehan’izy ireo ny « Masters de Pétanque » any « Saint Gilles Croix de vie » ny 26 sy 27 Jona. I Andriamahazo Haja, Andrianjaka Jean Michel, Ramanantiary Faralahy Urbain Joseph, sy Razafimahatratra Herilantosoa no ekipa voalohany hanao ny fifanintsanana mandritra izany. Hifaninana amin’ny « tournée estivale, La Marseillaise de Pétanque » ny 30 Jona hatramin’ny 05 Jolay kosa i Ralison Heritiana Guillaume, Rakotondrainibe Jean François, Andrianiaina Christian Martin. Vokatra tsara kosa no nampanantenain’izy ireo mandritra ireo lalao rehetra handraisany ekipa anjara izany.

Hamerina ny toerana nisy an’i Madagasikara hatramin’izay no tanjona

Fanomanana hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2024 hatao any Dijon ity fandraisana anjara ity. Toe-tsaina sy toe-po ao anaty firaisankina tanteraka no hery entin’izy ireo hiatrika ny « Masters de pétanque ». Ity moa no fiverenana voalohany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nanana ny toerany hatrany i Madagasikara tao anatin’izany taranja izany nandritra ny taona maro indrindra taty amin’ny kaontianta Afrikaninana. Ankehitriny, afaka ny sazy, manantena ny fiverenena sy fanamafisana izay tanjaka nisy teo amin’ireo mpilalao izay hatrany ny federasiona. Raha ho an’ny eto an-toerana, efa maro ireo drafitra nentina nanovana ny fomba fitantanana sy ireo mpilalao. Misy amin’izao fotoana ny fanarahamaso ny famoahana ireo « licence » ho an’ireo mpilalao hanaraka ny ara-dalana. Vonona tanteraka ny hitondra fanovana ny FSBM ary tsy maintsy hioty ny vokatra tsara ny mpankafy ny taranja ao anatin’ity taona ity.

Lire la suite

Articles Similaires