• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

Barea- Hiezaka hitady mpilalao hafa ny federasiona

23/06/2024 20:48 © Moov

Tsy hionona amin’ireo mpilalao nahazatra teo aloha ny federasiona misahana ny taranja baolina kitra eto Madagasikara

Mpilalao efatra no hanatevin-daharana

Tsara raha ny vokatra nentin’ny Barea tao anatin’ny lalao farany natrehany. Mbola maro kosa, hoy ny filohan’ny federasion’ity taranja ity ,ny ezaka tokony hatao hanatsarana ny vokatra efa azo. Ilaina ny fanatsarana ny paikady entina ambony kianja sy ny lalao entin’ny mpilalao. Nilaza ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’ny mpanao gazety, omaly 21 jona, fa tsy hionona amin’ireo mpilalao efa misy ny Barean’i Madagasikara fa hanampy mpilalao hafa. Mpilalao miisa efatra no heverina hanatevin-daharana ireo teo aloha. Ny tenany sy ny mpanazatra Roro no hiaraka hanao ny fifantenana. Raha ny vinavina dia mpilalao eo amin’ny vodilaharana sy lohalaharana no hampiana. Efa misy an’i Sandro ny ao amin’ny vodilaharana havia izay nanano sarotra ny fandresen-dahatra ny mpanazatra azy.

Efa manakaiky ny tanjona

Mbola voatana ankehitriny ny teny nomeny hahatafita amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Nambaran’ny filohan’ny federasiona fa feno fankasitrahana tanteraka ny tenany tamin’ireo isa efatra azo nandritra ny andro fahatelo sy fahefatra tamin’ny fifanintsanana ho fiadiana ny tompondaka eran-tany 2026 . Isa izay nahafahana niakatra teo amin’ny laharana faha-104 maneran-tany raha ny laharana navoakan’ny Fifa.

Mahakasika ny tsy fandraisana anjara tamin’ny COSAFA

Raha ny fanavazana nentin’ny filohan’ny FMF « Mbola tao anatin’ny fifidianana ny ho filoha hitantana ny rantsa-mangaikan’ny baolina kitra ny teto Madagasikara, ny volana oktobra lasa teo, ka mety tsy tafiditry ny mpitantana teo aloha tao anaty fandaharam-potoana io fifaninanana io, efa nisy kosa ny fifampiresahana tamin’ny mpitantana ny Cosafa ny amin’ny fandraisana anjara manaraka ».Nambarany fa efa misalotra ny fanamiana mitondra ny marika Umbro ny Barea ankehitriny ary hisy 3 000 ho avy amin’ny volana jolay, hozaraina amin’ny mpanjifa. Ezahina ho vita mialoha ny handraisana ny fifanintsanana ho an’ny “CAN 2025” kosa ny bozaka sy ny pitsopitsony notakin’ny FIFA sy ny CAF raha ny mahakasika ny kianjan’i Mahamasina.

Lire la suite

Articles Similaires