• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Labicycle
Image
Sport

Fanatanjahantena - Hazakazaka am- bisikileta

20/06/2024 10:22 © Moov

Hiara-hientana amin’ny fanatsarana ny taranja hazakazaka am-bisikileta aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina ireo filohan’ny Federasiona.

Mahatoky ny fomba fitantanan’ny Malagasy ny Nosy manodidina

Ho fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, hiroso amin’ny fametrahana ny mpikambana handrafitra ny fikambanan’ny federasiona aty amin’ny faritra fahafito ireo filoha rehetra sy ny komity rejionaly. Ny filohan'ny Federasioninan’ny taranja hazakazaka am-bisikileta malagasy no tombanana hitantana ny federasion’ny Ranomasimbe Indianina. « Ny fahitan’ireo Nosy manodidina ny traikefa sy ny maha-zokiolona efa ela nihetezana ahy tao anatin’ity taranja ity no anton'ny fikasana » araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ ny taranja bisikileta eto Madagasikara, Relaha Jean Claude.
Tanjon’ny fikambanana ny hampiakatra ny lentan’ireo mpilalao aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina. Misy koa ny drafitra hananganana ekipa kaontinantaly. Tanterahina any Maurice, ny 28 jona hatramin’ny 3 jolay ho avy izao izany fivoriana izany, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina, taranja bisikileta. Vinavina efa natsidika nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023 teo ity hotontosaina ity.

Hitombo ny isan’ireo mpandray anjara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Mifanindran-dalana amin’ity fihaonana ity ny fifaninanana karakarain’ny vondron’ny federasionina aty amin’ ny Ranomasimbe Indianina. Andiany voalohany ho an’ireo Nosy no hatao. Ezaka ho an’ny mpitarika rehetra kosa ny hametrahana azy ho ao anatin’ny fandaharan’ny UCI. Hisy, araka izany, ny fangatahana amin’ny Federasionina iraisam-pirenena ny fampidirana an’ity fifanintsanana ity mba hanaraka ny rafitra. Rehefa tontosa izany dia hahazo isa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay mandray anjara rehetra, hoy hatrany i Relaha Jean Claude.
Ilay Malagasy, Fitahiantsoa Amédée Dino Mohamed, no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, any Maurice, mandritra ny fifanintsanana. Marihina fa miisa valo ny firenena mandray anjara. Ankoatra an’i Maurice, mpampiantrano, hifanintsana ao i Madagasikara, Comores, Mayotte, La Réunion, Maldives, Seychelles ary i Srilanka.

Lire la suite

Articles Similaires