• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio France
Image
Sport

Jeux d’Echecs - Tournoi de l’indépendance

19/06/2024 08:56 © Moov

Ho fampiroborobona ny taranja échecs eto amin’ny faritra Analamanga, tontosaina mandritra ny roa andro ny « tournoi de l’indépendance »

Mizara roa ny lalao

Misy ny lalao fifaninanana hanamarihana ny andron’ny fahaleovantenan’ny Malagasy, ny 22 sy ny 23 Jona izao, karakarain’ny Mahats 'art chess club Tanjombato. Ity no fifanintsanana andiany faha 4 tontosain’ny klioban’ny Tanjombato. Mizara roa ny lalao,dia ny andro voalohany sy faharoa.
Ny sabotsy dia hisy ny fifandonana eo amin’ireo mpilalao 10 manana ny ELO ambony indrindra. Ny Elo moa dia mari-pandrefesana ireo mpilalao eseky. Mivoatra arakaraky ny filalaovan’ireo mpikatroka izy ity. Lalao isaky ny mpandray anjara no hatao ka tsy maintsy mifandona avokoa ny mpifanandrina rehetra ao anatin’io tontolo andro io.
Ny Alahady kosa, misokatra ho an’ny izay te-hikatroka ny lalao, ary tsy hanavahana taona. Misy loka manokana ho an’ireo latsaky ny 15 taona izay namiratra indrindra. Ankotran’ny fampiroboroboana ny taranja, tanjona ny hanatsarana ny traikefa eo amin’ireo mpilalao ekesy. Manaraka izany, fotoana ho an’ireo mpikatroka hifampizarana sy hifanakalozana ity hetsika ity. Hisy ny fampidirana ny ireo mpankafy ity taranja ity hiditra anaty klioba.

Manana ny toerany tanteraka ny eseky

Efa miha-mivoatra ny taranja eseky eto Madagasikara. Kilalaon-tsaina isany mampiakatra ny fahaizana miketrika sy mamelona ny saina amin’ny fanaovana paikady madinidinika izy ity. Manoloana ny firoborobon’ny tontolo ara-kajy mirindra, efa afaka milalao izany avokoa ny rehetra amin’ny fotoana rehetra. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, manana ny toerany tanteraka ireo mpikatroka eseky. Tanora Malagasy 15 ankehitriny no miatrika ny « African youth chess championship » atsy Afrika Atsimo nanomboka ny 16 Jona teo. Saika efa nandraisan’ny Malagasy anjara avokoa ireo lehibe. Manana « grand maitre international » dia i Fy Antenanina Rakotomaharo.

Lire la suite

Articles Similaires