• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbb
Image
Sport

Basket N1A zone centre - Mitarika vonjimaika ny ekipan’ny MB2ALL sy ny GNBC

19/06/2024 08:43 © Moov

Manjakazaka tanteraka ny MB2ALL Analamanga, mbola misy 4 andro kosa vao tapitra ny lalao

Mbola mitarika ny GNBC sy MB2ALL

Nanomboka ny Sabotsy 15 Jona 2024 teo ny fiadiana ny tompondakam-pirenena diviziona voalohany amin’ny basketball (N1A) ho an’ny faritra afovoany. Tanterahina ao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe ny lalao. Ekipa 12 no mifandona mandritra ny valo andro. Lalao efatra isan’andro no tontosaina hatramin’ny fanombohana. Vita tamin’ny faran’ny herinandro teo ny andro faharoa ho an’ ireo klioba rehera mpifaninana. Raha ny fandaharan-dalao omaly, nisy ny fifandonana teo amin’ny Serasera Vakinankaratra sy ny MB2ALL Analamanga, nivoaka mpandresy tamin’ny isa 95-33 ny MB2ALL. Lalao nanaraka azy, ny ASS Menabe sy SBC Vakinankaratra, nandresy tamin’ny isa 81-59 ny SBC. Lalao teo amin’ny Fandrasa Matsiatra Ambony sy ny Jea Vakinankatra kosa, naharesy tamin’ ny isa 17-47 ny JEA.
Eo amin’ny sokajy lehilahy, mitarika vonjimaika rehefa nandresy indroa nisesy ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena na ny GNBC. Manaraka azy kosa ny SBC Vakinankaratra sy ny MBC Atsinanana. Mitarika vonjimaika eo amin’ny sokajy vehivay kosa ny MB2ALL, tompon’ny anaram-boninahitra farany, nandresy in-telo izy ireo. Hitohy androany ny fifaninanana izay hifandonana’i ASS Menabe sy ny NGB Itasy, Fandrasa Matsiatra Ambony sy ny Serasera Vakinankaratra, ny Jea Vakinankaratra sy ny Ankaratra Vakinankaratra ary ny SBC Vakinankaratra sy ny MBC Atsinanana.

Forum mini-basket, misokatra ny fandraisana ny anaran’ireo handray anjara

Nivoaka omaly ny fampahafantarana ny « Forum mini-basket » izay ho hatao eto Madagasikara ny 15 hatramin’ny 18 Jona izao. Hetsika izay iarahan’ny federasioana Malagasy ny Basket sy ny FIBA eto Afrika. Tanjona ao anatin’izany ny hanapariahana ny fitiavana baskety eo amin’ireo katita 5 hatramin’ny 12 taona. Hisy mandritra ny hetsika ny fampiofanana ireo mpanazatra ho an’ ireo kilonga majinika. Ankizy no ho arahimaso mandritra ny fampivondronana ka fepetra napetraky ny FIBA ny fahafehezana izay lafiny iray izay. Misokatra ho an’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy kosa ny « Forum mini basket ». Na ho an’ ireo ankizy handray anjara izany na ireo mpampiofana. Mbola mandeha amin’izao fotoana ny fandraisana ny anaran’ireo delegasiona hisolo tena avy amin’ny faritra. Mifarana ny 18 Jona 2024 izao kosa izany.

Lire la suite

Articles Similaires