• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tojo Razafindratsimba
Image
Sport

Muay Thai « throphée de choc » : Lavon’ilay teratany renioney ny mpikatroka malagasy

18/06/2024 07:55 © Moov

Resin’i Johnny Gauvin tamin’ny KO, teo amin’ny fidirana fahefatra i Elfazar Fazaraly Razanajatovo na i Superbadboy

Ady roa tena nisongadina

Tontosa ny zoma 14 jona teo ny lalao fifanintsanana « Trophée de choc »  andiany faha-4, natao tetsy  amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Nosy telo no nandray anjara tao anatin’izany  izay nisy an’i Maurice, La Réunion ary Madagasikara.  Katroka ady iraisam-pirenena miisa  6 ho an'ny lehilahy ary 1 ho an'ny vehivavy no tena nisongadina teo amin’ny lalaon ‘ireo Malagasy nandritra ity fandraisana anjara ity. Fandresena efatra tao anatin’ireo fito nifanintsanana no azon’i Madagasikara. Naharitra adiny efatra teo ny fifandonana. Ady 14 kosa no nalahatra tao anatin’izany. Fifandonana isan’ny tena nandrasan’ny maro tao anatin’ ity fifaninanana ity ny ady fehikibo teo amin’i Fazaraly sy Johnny Gauvin. Votsotra teo am-pelatanan’ilay teratany malagasy ny fandresena tany amin’ny ora farany teo amin’ny sokajy latsaky ny 71kg. Lasan’i Johnny Gauvin, teratany renioney, araka izany, ny fehikibo  « inter-continentale ». Izy koa no nahazo ny tapakila andehanana any amin’ny fiadiana tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja Muay Thai.

Lalao fifamaliana teo amin’ireo Malagasy sy Renioney

Teo amin’ny sokajy « semi-pro » latsaky ny 54 kg, nandresy ilay Renioney Cedric Passerel tao anatin’ireo ady telo nifanandrinan’izy roa lahy i Tianamalala Tsitohaina. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 67kg, azon’i Jean Christophe ny fandresena nanoloana ilay teratany maorisianina, Perrine Linley. Mbola nanjakan’i Patrick Rafanomezantsoa ny fiadiana ny tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina teo amin’ny sokajy latsaky ny 57kg; fifandonana teo aminy sy ilay Renioney Noah Barbin. Lavo tsy ankamaly « KO » nanoloana an’i Niad Nassibou kosa i Heritiana Andrea Michael Ranaivomamison teo amin’ny sokajy latsaky ny 51. Niala an-daharana tsy nanohy ny ady kosa i Mano Andrianjatovo rehefa nifampitana tamin’ny Amel Nassibou teratany renioney hatrany. Resin’i Darren Ibar koa i Fitahiana Ratahariniaina teo amin’ny latsaky ny 63,5kg. Araka reo voka-dalao ireo dia i Mdagasikara araka no mitana ny anaram-boninahitra aty amin’ny ranomasimbe indianina. Ankotra izay dia nisy koa ny fifaninanana ady teo amin’ireo samy mpikatroka teto an-teorana. Lalao izay nentina hampiakarana ny haavo tekinikan’ireo mpisehatra eo amin’ny taranja Muay Thai.

Lire la suite

Articles Similaires