• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Linkedin
Image
Sport

EURO 2024 – Tsara fanombohana ireo ekipa matanjaka

18/06/2024 07:51 © Moov

Ekipa 24 no mifandona ao anatin’ny iray volana ny fifanintsanana atsy Alemana, ao anatin’ny « Euro 2024 »

Mbola mametraka ireo lohany ao anaty vondrona

Ny zoma 14 Jona teo no nanomboka ny fiadiana ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra 2024, « Championnat d’Europe UEFA ». Raha ny fandaharan-lalao, ny 14 jona hatramin’ny 26 jona izao no mandeha ny fifanintsanana isam-bondrona. Ny 29 jona kosa no manomboka ireo dingana famaranana. Mizara vondrona 6 ireo ekipa mandray anjara, ao amin’ny vondrona A no misy an’i Alemana, Ecosse, Hongria, Soisa. Ao amin’ny vondrona B misy an’i Espana, Kroasia, Italia, Albania. Vondrona C no misy an’i Slovenie, Danemark, Serbia, Angletera. Vondrona D kosa i Pologne, Pays-Bas, Aotrisy ary Frantsa. Ao amin’ny vondrona E i Belzika, Slovakia, Romania ary Iokraina. Vondrona F kosa no misi an’i Torkia, Jeorjia, Portugal ary Tcheque. Tsara ny fanombohan’ny lalao raha ho any Allemagne mpampiantrano. Lavondry zareo tamin’ny isa 5 noho 1 ny ekipandry zareo « Ecossais ». Saika nivoaka mpandresy tamin’ireo lalao voalohany avokoa ireo ekipa goavana tao anatin’ireo vondrona misy azy ny andro voalohany. Ny andron’ny Sabotsy kosa, nandresy tamin’ny isa 3 noho 0 i Kroasia nanoloana an’i Espana. Nomontsanin’i Soisa tamin’ny isa 3 noho kosa i Hongria. Nametraka ny toerany amin’ny maha tompon’ny anaram-boninahitra farany azy kosa i Italia, nandresy an’i Albania tamin’ny isa 2 noho 1 izy ireo. Maharitra iray volana ny fifaninana. Ekipa miisa 14 no hifanintsana ao anatin’izany.

Fandresena voalohany ho an’i Iokraina

Raha ny lalao omaly, nahafotaka ny fifandonana teo amin’i Romania sy Iokraina, nandresy tamin’i isa 3 noho 0 i Romania. Ity no lalao santratra ho any vondrona E. Niezaka nametraka ireo ekipan’i Iokraina tao anaty fizaram-potoana voalohany. Nahazo toky kosa ireo mpilalao ny Romanianina nandritra ny fizaram-potoana manaraka. Ao aorinan’ity lalao ity kosa dia miditra amin’ny fifanintsanana eo amin’ny Belzika sy Slovakia. Mamarana ny tontolo andro Alatsinainy kosa ny lalao eo amin’ny Frantsa sy Aotrisy.

Lire la suite

Articles Similaires