• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbb
Image
Sport

Basket : Mitohy any Antsirabe indray ny fifanintsanana N1A ho any faritra Afovoany

12/06/2024 19:56 © Moov

Ho tontosaina ny 15 hatramin’ny 23 Jona ho avy izao, ao amin’ny Gymnase Volafotsy any Antsirabe, ny fifaninanana nasionaly N1A, faritra afovoany, taranja baskety, sokajy lahy sy vavy.

Tany Atsinanana no natao ny N1A faritra Atsinanana, izay nanjakan’ny klioba avy aty Analamanga. Ny ekipandry zareo zandrarimariam-pirenena GNBC no voalohany ho an’ny vehivavy, raha toa ka ny COSPN, ny teo amin’ny lehilahy.

Amin’ity fifanintsanana N1A ho tanterahina any Vatofotsy ity indray, ireo ekipa 4 voalohany mivoaka mpandresy isaky ny fifanintsanana isam-paritra no tafiakatra eo amin’ny elite 8 ny volana Oktobra izao. Miisa 12 ireo ekipa lehilahy mifaninana ao anatin’ity lalao ity. Mizara vondrona roa izy ireo, misy ireo nilalao tany amin’ny faritra Atsinanana ary ireo 06 ambony no mifanintsana aty amin’ny faritra afoavoany. Miisa 10 kosa ireo ekipa vehivavy ary mitovy amin’ny fafinantsanana eo amin’ireo lehilahy hatrany no miseho eo amin’ny sokajy vehivavy. Ireo ekipa 02 tsy tafiakatra ao anatin’ny fifanintsanana kosa, dia midina any amin’ny N1B. Ny zoma 14 Jona izao no atao ny fampafantarana ara-teknika amin’ireo mpilalao. Efa fantatra kosa ankehitriny ireo ekipa hilalao ao anatin’ity fifanintsanana ity. Eo amin’ny sokajy vehivavy misy an’ny : MB2ALL Analamanga, JEA Vakinankaratra, ANKARATRA Vakinankaratra, SERASERA Vakinankaratra, FANDRASA Matsiatra Ambony. Ho an’ireo sokajy lehilahy kosa misy an’ny : GNBC Analamanga, SBAC Vakinankaratra, MBC Atsinanana, NGB ITASY, ASS Menabe. Mbola ao anatin’ireo lisitra miandry toerana kosa eo amin’ny sokajy lehilahy ry zareo TGBC Betsiboka ary eo amin’ireo vehivavy ny BTBBA Diana.

Ao anaty fanomanan-tena tanteraka ireo mpilalao

Mitohy ny fanomanantena ho an’ireo ekipam-pirenena Malagasy hiatrika ny lalao RUNBALL, tontosaina atsy La Réunion faha 29 hatramin’ny faha 30 ny volana Jona izao. Fifaninana eo amin’ny taranja baskety lalaovin’olona telo izy ity. Mipetraka ho lalao ara-piralahina eo amin’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina sy ireo klioba avy any Lafrantsa izany. Manatombo mandritra ity lalao ity kosa ireo sokajy lehilahy. Afaka mandray anjara amin’ilay fifanintsanana atao any Kosovo mantsy ny ekipa mpandresy.
Raha ny firafitr’ireo ekipa handray anjara amin’izany, eo amin’ny sokajy vehivavy : Christiane, Chine, Murielle, Sydonie. Eo amin’ireo lehilahy kosa : Ely, Arnol, Anthony, Livio.

Lire la suite

Articles Similaires