• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Sport

Badminton : Niofana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo mpanazatra

12/06/2024 19:45 © Moov

Tekinisianina 10 no misitraka fampiofanana ho mpanazatra iraisam-pirenena, avy eo anivon’ny Federasiona Malagasin' ny Badminton.

Nanomboka ny sabotsy 8 jona ary mifarana androany 12 jona 2024 ny fampiofanana ho an’ireo mpanazatra avy eo anivon’ny Federasiona Malagasy amin' ny Badminton. Notontosaina tetsy amin’ny Gymnase Akorondrano izany fampiofanana izany.

Mpampiofana teratany beninois

Ilay tompon’andraikitra avy amin'ny Kaofederasiona Afrikanina, Bernardin Bokpe, no nandrindra izany fampianarana izany. Ity farany izay isan’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehetry ny fitarihana ireo mpiangaly ny Badminton. Efa nandalo lalana maro ity teratany beninois ity eo amin’izay fanazarana izay. Nandritra ny 08 taona no nipetrahany teo amin’ny toerana maha sekretera jeneralin'ny Federasionina beninoise. Taorin’izany no voantso ho mpampiofana mpanazatra iraisam-pirenena ny tenany.
Niompana tamin’ny lafiny tekinika, hakingan-tsaina, fikapohana baolina, paikady tekinika, ny fahaizana mifehy ny tontolon’ny asa sy ny tontolon’ny ankohonana ity fampiofanana omena ity. Tao anatin’ny efatra andro voalohany, nifantoka tamin’ireo lesona miaraka amin’ny fampiharana ny tontolo andro. Androany alarobia kosa no niditra tamin’ny fanadinana ireo mpanazatra ny mpampiofana.

Hitombo 10 ireo mpanazatra sokajy voalohany eto Madagasikara

Hisitraka mari-pahafantarana iraisam-pirenena avy amin’ny Kaofederasionina afrikanina avokoa ireo mpiofana. Tanora ao anatin’ny salan-taona 10 hatramin’ny 16 taona moa no azon'ireto mpiofana ireto tarihina aorin’izao fampiofanana izao. Azo heverina kosa, hoy ny mpampiofana, ny fahafehezana ireo lafiny tekinika rehetra izay takiana amin’izy ireo rehefa vita ny 4 andro.
Ireo zaza, tanora, ankizy no tena mila arahi-maso ao anatin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Zava-dehibe ho an’ny Federasiona malagasy, araka izany, ny misitraka izao ho fanomanana ireo taninketsa vaovao. Ny fikambanambe olympika moa no nikarakara ny nenti-manana rehetra tao anatin’izao fampiofanana izao. Miisa 15 ankehitriny ireo mpanazatra sokajy voalohany eto Madagasikara. Tokana monja hatreto ny mpanazatra eo amin’ny sehatry ny Badminton nahavita ny dingana faharoa, dia i Aina Vonjy Marc.

Lire la suite

Articles Similaires