• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmt
Image
Sport

Tennis Billie Jean King : Mafimafy ny ady ho an’ny Akomba

11/06/2024 19:53 © Moov

Tsy mbola mamiratra mihitsy hatreto ny ekipam-pirenena Malagasy « Akomba » ao anatin’ilay fifanintsanana Billie Jean King Cup, sokajy fahatelo, taranja tenisy.

Tsy nisy masoandro nihiratra ho an’ireo mpilalao Malagasy

Tontosa ny Alatsinainy 10 Jona teo, tany Nairobi Kenya ny andro voalohan’ny fifanintsanana Billie Jean King, vondrona “III”, sokajy vehivavy, taranja Tenisy. Ratsy ny vokatra ho an’i Madagasikara, resin’i Zimbabwe tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Ao anatin’ny vondrona A no misy ny ekipam-pirenena Malagasy ao anatin’ity fifanintsanana ity. Misy an’i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe, i Namibia ary i Madagasikara. Resin’i Zimbabwe tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo tao anatin’ny lalao santatra. Mbola resin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 3 no ho 0 indray ny Akomba tao anatin’ny lalao manaraka. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, lavon’i Gabriella Broadfoot, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 7/5) i Rasendra Miotisoa. Niady ny fihaonan’izy mirahavavy saingy hita ihany ny traikefa ananan’i Gabriella.

Misy hatrany ireo lalao azo arenina

Mbola tamin’io seta 2 no ho 0 io ihany koa nandavoan’i Isabella Kruger an’i Mialy Ranaivo, teo amin’ny lalao faharoa. Tsy niady mihitsy ny fihaonana teo amin’izy mirahavavy satria 6/3 ; 6/0 ny nisarahan’izy ireo. Ho an’ny lalao ho an’olon-droa, resin’i Gabriella sy i Heike Van Vuuren, tamin’ny seta 2 no ho 0, i Elisoa sy i Miotisoa. Tsiahivina fa efa resin’i Zimbabwe, ny Akomba teo amin’ny andro voalohany. Hidona amin’i Namibie ny Malagasy, rahampitso alakamisy, eo amin’ny andro fahatelo, amin’ity fifaninanana ity. Raha hiverenana ny fihaonan’i Madagasikara sy i Zimbabwe, dia teo amin’ny lalaon’ny olon-droa ihany ny Malagasy no nahita fahombiazana. Ho sarotra ny ady ho an’ireo mpilalao Malagasy mandritra ity fifanintsanana ity. Mbola misy lalao azo arenina kosa ho an’ny rahampitso manoloana ireo mpilalao avy ao Namibie.

Lire la suite

Articles Similaires