• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

Eliminatoires Mondial 2026 : Ady sahala teo amin’i Madagasikara sy Mali ! Samy niaro ny voninahi-pireneny !

11/06/2024 19:46 © Moov

Nisaraka ady sahala 0 sy 0 ny ekipam-pirenena malagasy sy malianina nandritra ny lalao fifanintsanam-bondrona ho fiadiana ny amboara eran-tany 2026 - andro fahaefatra.

Somary nisy fahasarotana ny fanombohana ny lalao ho an’ny Malagasy

15 minitra nilalaovana, nahazo karatra mena i Louis Démoléon vodilaharana afovoany « milieux defesif » malagasy. Latsaka iray, araka izany, ny mpilalao Barea tao anatin’ny lalao iray manontolo. Niezaka nametraka avy hatrany ireo Malianiana. Tsy ampy nandavoana sy nampidiram-baolina nanoloana ny Barea kosa izany tao anatin’ny fizaram-potoana voalohany. Manana tombony teo amin’ny tanjaka sy ara-batana ny ekipa malianina tao anatin’ity fifandonana ity. Nanana fahatokisan-tena sy hakingana teny ambony kianja kosa ny Barea. Tsy ankiato ny fanafihana nataony nandritra iny lalao iray iny. Nandritra ny fizaram-potoana faharoa, mipetraka tsara hatrany ny fiarovan-tena ho an’ny Malagasy. Niavaka tao anatin’ny fiarovana ny vodilaharana malagasy i Clement Couturier.
Nanana fahasarotana ireo malianina tamin’ny famonoam-baolina. Tsapa teny ambony kianja ny harerahan'izy ireo, izay tsiahivina fa androany tamin’ny 04 ora maraina vao nigadona tao Johannesburg. Tany amin’ny 90 minitra tsy hiafaranan'ny lalao, nahazo « coup franc » ry zareo malianina. Hita nisesisesy hatrany ny fanafihana ho azy ireo nandritra ny fizaram-potoana faharoa. Tsy ampy nampidiram-baolina na ho an'ny an-daniny na ny ankilany ny zava-nitranga rehetra teny ambony kianja ka nisaraka ady sahala ny roa tonta.

Tsara ny fanovana paikady napetraky ny mpanazatra

Nisy ny fanovana paikady nataon’ny mpanazatra ny Barea nandritra iny lalao iny. Lasa nanatevina ny vodilaharana afovoany i Rayan RAVELOSON. Niezaka nanavotra tamin’ny fitazomana isa kosa i Sonny Laiton, mpiandry tsatokazo. Manana isa fito hatreto ny Malagasy. Eo amin’ny laharana faharoa vonjimaika, araka izany, no misy ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Mbola miandry ny voka-dalao eo amin’i Kaomoro sy Tchad kosa ny mety ho fiovan’ny laharana.
Ny 17 hatramin’ny 25 martsa 2025 ny lalao manaraka ho an'i Madagasikara. Tsy fantatra hatramin'izao ny toerana mety hanaovana ny lalao.

Lire la suite

Articles Similaires