• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wkf
Image
Sport

Karate : Nahazo medaly volamena 5 i Madagasikara

10/06/2024 22:44 © Moov

Medaly volamena 5 no norombahan’ny ekipam-pirenena Malagasy nandritra ny fiadiana ho tompondaka Afrikanina faritra Atsinanana eo amin’ny taranja Karate Do.

Tao anatin’ireo sokajy 6 nifaninana nandritra ny fifaninana fiadiana ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsinanana. Fandresena tokana monja no tsy azon’ny ekipam-pirenena Malagasy ny Sabotsy faha 8 jona lasa teo tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Nahafa-po ireo voka-dalao.
Fandresena voalohany azon’i Christian Finoana Rajaonarison teo amin’ny sokajy Kumite lehilahy latsaky ny 60kg. Izy no nandavo an’ilay mpikatroka avy any Djibouti, Mounir Ismail Mahmoud. Teo amin’ny latsaky ny67kg, Herinirina Rasabotsy Jean Pierre no nandrombaka izany. Nifandrina tamin’ilay kaomorianina Comorien Farouk Thaoura ny mpilalao Malagasy teto. Princy Solomanana no nahazo ny medaly volamena fahaefatra teo amin’ny sokajy kumité nanoloana an’i Ali Mohamed, mpikatroka avy ao Kaomoro hatrany eo amin’ny75kg. Medaly volafotsy kosa no azon’i Tojo Andriantsimbazafy teo amin’ny sokajy +84kg, lavon’ilay Maorisianina Ramluchumuni Abhishek Aman ny tovolahy teto.

Teo amin’ny kata, nitohy ny famirapiratana teo ireo ekipam-pirenena Malagasy. Nahazo medaly volamena i, Brandon Princy Rakotomalala teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana. Teo amin’ny lalao iraisana izay nisy an’i Fabio, Lee ary Tonisoa, izy ireo no nandrafitra ny ekipa Malagasy sokajy Kata. Voaaron’izy ireo hatrany ny voninahi-pirenena tamin’ny nahazoany ireo medaly volamena.

Nisy firenena maromaro tsy nandray anjara

Ho an’ireo mpikatroka ny haiady Karate vehivavy, naneho fahakiviana izy ireo noho ny tsy nisian’ireo mpifanandrina. Tsy niakatra kianja arak’izany ireo Karateka vehivavy nandritra ity fifaninana ity.
Isan’ireo tonga nanotrona ity fifaninana iraisam-pirenena ity ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena, Bechir Cherif . Naneho ny fankasitrahana feno ny federasiona Malagasy izay tarihan’i Emile Ratefinanahary ny tenany tamin’ny nahatontosana izany fifaninana izany. Mampirisika ireo mpikatroka haiady Karate ny tenany ny amin’ny fampiroboroboana izany hatrany, na nisy ary ireo tsy fahatongan’ireo firenena hafa.

Lire la suite

Articles Similaires