• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Sport

Tsipy Kanetibe : Miverina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara

08/06/2024 20:07 © Moov

Handray anjara amin’ny « MASTERS DE PÉTANQUE 2024 fifaninana tsipy kanetibe any Paris ireo matihanina amin’ny Tsipy Kanetibe, manomboka ny 26 Jona ho avy izao.

Andriamahazo Haja, Andrianjaka Jean Michel, Ramanantiary Faralahy Urbain Joseph, sy Razafimahatratra Herilantosoa no ekipa voalohany hisolo tena ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja Tsipy Kanetibe. Hifaninana amin’ny « tournée estivale » manomboka ny volana Jolay kosa i Ralison Heritiana Guillaume, Rakotondrainibe Jean François, Andrianiaina Christian Martin. Mpilalao fiandry kosa i Rakotoniaina Faratiana.
Naneho ny fahavononana hanampy ny federasioana ny sport boules Malagasy ireo diaspora Malagasy any an-toerana raha ny fampafanatarana nataon’izy ireo omaly faha 07 jona 2024. Tsiahivina , efa nisy ny fifantenana ireo mpilalao nanomboka ny faha-23 ny volana mai 2024, tany Antsirabe. Ny faha-25 ny volana May moa no nivoahan’ny lisitr’ireo mpilalao ofisialy.

Tapitra hatreo ny sazy

Efa nofoanan’ny federasiona iraisam-pirenena ny sazy nihatra tamin’i Madagasikara nandritra ny telo taona. Sazy tsy nahafahana niatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena. Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2021 no nilatsaka ity sazy nihatra tamin’ny Madagasikara ity noho ny fitantanana tsy nanaraka ny rafitra ara-dalana.
Tapaka nandritra ny fivoriambe ampitain-davitra nataon’ny kaomity mpitantana eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena FIPJP ny 5 Aprily 2024 teo ny fanafoanana izany sazy izany. Ny Alakamisy 25 Aprily 2024 no namoahan’ny filoha iraisam-pirenena ny tsipy kanetibe Claude Azema ny taratasy fampafatarana izany fanafohanana ny sazy izany ho any filohan’ny federasiona sport-boule Malagasy.
Mbola misy hatrany kosa ny fepetra fanaraha maso napetraky ny FIPJP. Fametrahana ireo fepetra toy ny fitondrana tsara tantana, ny fisian’ny mangaraharaha eo amin’ny fanomezana ireo kara-pilalaovana na ny licence ary ny lafiny teknika.

Lire la suite

Articles Similaires