• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fédération Malgache De Taekwondo
Image
Sport

Taekwondo-WT : Stage Technique, hampitoviana lenta ireo mpikatroka

07/06/2024 22:12 © Moov

Navitrika ny mpandray anjara, tanjona voalohany ho an’ny Federasiona Malagasy ny Taekwondo-WT ny hampitovy lenta ireo mpikatroka

Nanomboaka androany 07 jona ny stage technique karakarain’ny federasioana Malagasy ny Taekwondo-WT, tetsy amin’ny CFFMMA Nanisana. Hametrana hainga vao ao anatin’ireo sokajy roa Kyorugi na combat sy ny Poomcae. Mihainga amin’ny fototra ny fampiofanana nomena androany. Hampitovy ny lenta sy hanitsy ny fomba fikatrohan’ireo Atleta no tanjona. Tombony ho an’ireo tonga miofana androany ny fanomanana ny fanadinana ho atao ny Alahady ho avy izao.
Manodidina ny 50 ny mpandray anjara androany tao anatin’ny stage teknika nokarakarain’ny Federasioana Malagasy Taekwondo androany. 12 hatramin’ny 62 taona no tonga nisitraka izany avy amin’ireo klioba maro samihafa manerana ny Ligy Analamanga.

Fitetezam-paritra

Ho tontosaina isam-paritra ity fandaharana iray ity raha ny nambaran’ny Tale Teknika Nasionaly Dimbiheriniaina PHARLIN. Ny ao Matsiatra Ambony no hisitraka ny programa manaraka amin’ny volana Jolay. Ligy telo no hiaraka hiofana ao anatin’izany: atsimo andrefana, vatovavy fitovinany sy Matsiatra Ambony. Amin’ny volana Aogositra kosa no anjaran’ny ligy any Atsinana . Ny volana oktobra kos any ho an’i Boeny sy Betsiboka. Miaraka amin’ny fanomanana ny fiadiana ho tompondaka an’i Madagasikara ny 31 hatramin’ny 1 ny volana Novambra izay atao any Boeny mantsy izany.

Poomcae, tafiditra ao anatin’ireo lalao olympika

Tombony ho an’ny androany ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompon-daka an’i Madagasikara eo amin’ny Poomsae. Efa manana toerana tanteraka ankehitriny ity sokajy iray ity izay tafiditra ao anatin’ireo lalao andraisana anjara amin’ny lalao olympika. Teo aloha dia ny Kyorugi hatrany no nifaninana tao anatin’ity farany. Ligy telo hafa ankotran’ny Analamanga no moa nahatonga solotena androany. Nahitana ny Ligy Matsiatra Ambony sy ny ligin’ny Vakinankaratra. Tsiahiavina hatrany fa maharitra roa andro ny stage Teknika karakarain’ny Federasiona Malagasy ny Taekwondo-WT, ireo tepana manga miakatra no afaka nandray anjara tao anatin’izany.
Mitohy sady mifarana rahampitso sabotsy faha 08 ny volana Jona 2024 ity fampiofanana ity. Raha ny tohin’ny fandaharam-potoana, amin’ny Alahady 09 Jona izao ny fanadinana fiakarana tepana mainty 1er DAN miakatra. Mahazo mandray anjara amin’izany ihany koa ireo tepana mena tsipika roa.

Lire la suite

Articles Similaires