• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Iconsport
Image
Sport

Eliminatoires Mondial 2026 : Nandresy ny BAREA ! Mitarika i Madagasikara ao amin’ny Vondrona I !

07/06/2024 21:44 © Moov

2-1 no isa nisarahan’i Madagasikara sy Comores androany alina. Nibata fandresena ny Barean’i Madagasikara.

Tafakatra loha-laharana ao amin’ny vondrona I misy azy i Madagasikara, amin’ny fifanintsanam-bondrona fiadiana ny Amboara maneran-tany 2026.

Nampiseho talenta i Rayan Raveloson

Vao 56 segondra nanombohan’ny lalao dia matin’i Rayan Raveloson ny baolina. Niova tany amin’ny fiarovana kokoa ny fomba filalaon’ireo Malagasy nanomboka teo. Niezaka namaly tamin’ny fanafihana ireo mpilalao avy ao Kaomoro saingy tsy ampy ny hery. Nisaraka tamin’ny isa 1 noho 0 ny ekipa roa tamin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana voalohany.
Tamin’ny minitra faha-66 indray, tamin’ny fizaram-potoana faharoa, no nampiditra ny Baolina faharoa i Madagasikara. Mbola i Rayan Raveloson ihany no namono ny baolina. Niakatra ny fahatokisan-tena an’ireo mpilalao Malagasy. Namaly hatrany tamin’ny fanafihana ireo Kaomorianina. Nahazo karatra mavo ny kosa ny laharana faha-12 nandritra ny minitra faraparany nanafihan’ny Malagasy.

Lesoka mila arenina

Lesoka hita taratra teo amin’ireo mpilalao Kaomorianina ny tsy fahampiana teo amin’ireo mpanafika. 90 minitra nilalaovana no nahafaty ny baolina voalohany ry zareo avy ao Kaomoro tamin’ny alalan’ny laharana faharoa. Raha ho an'ny mpilalao Malagasy indray, mila manarina ny fifantohana ihany koa ny Barea. Somary efa variandriana mantsy ireo mpilalao noho ny faran'ny lalao efa niha-nanakaiky, ka dia nahafaty baolina indray ny mpilalaon'i Comores. Somary hita tamin'ny endriky ny mpilalao Malagasy ihany koa ny harerahana. Na teo aza izany rehetra izany, tsara ny endri-dalao amin'ny ankapobeny. Samy manana traikefa avokoa na ny andaniny na ny ankilany.
Nifarana tamin’ny isa 02 noho 01 ny lalao tamin'ity hariva ity. Izao no fandresena faharoa azon’ny Madagasikara tao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona handraisana anjara amin’ny fiadiana ho tompondaka maneran-tany 2026. Mbola hiatrika ny lalao hifanandrinana amin’i Mali moa ny ekipam-pirenena Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires