• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Europe
Image
Sport

Maroc : Fantatra ny anaran’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena

04/10/2023 15:23 © Moov.Mg

Hiatrika lalao fanomanan-tena izay hifanandrinana amin’ny ekipan’ny Mauritanie sy Bénin ny ekipan’ny BAREA Madagasikara manomboka amin’ny herinandro ambony io.

Ny 09 ka hatramin’ny 17 oktobra no hanatanterahana izany fifaninana izany raha ny marimarina kokoa, ao Maroc. Ny 09 sy ny 11 oktobra kosa no hiakatra eny ambonin’ny kianja ny malagasy.

Raha tsiahivina dia i Coach Rôrô no voatendry hitondra vonjimaika ny Barea mandritra io fifaninana io. Nivoaka androany ary ny anaran’ireo mpilalao 22 handrafitra ny Barea izay nofantenan’i Coach Rôrô. Ny 11 amin’izy ireo dia mpilalao avy eto an-toerana. Ny 11 ambiny kosa dia mpila ravinahitra. Indro zaraina aminao amin’ny sary eto ambany ary ny anaran’izy ireo :


Copyright Image : © FMF

Lire la suite

Articles Similaires