• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Sport

JIOI 2023 - Fankasitrahana ireo atleta : 5 tapitrisa ariary ho an'izay nahazo medaly volamena

04/09/2023 20:38 © Moov.Mg

Hita taratra tamin'ny isan'ireo medaly norombahan'ireo atleta malagasy fa mamiratra izy ireo rehefa mifanandrina amin'ny atleta avy any ivelany.

Azo tarafina amin'ireny vokatra azo nandritra ny lalaon'ny Nosy aty amin'ny ranomasimbe Indianina andiany faha-11 ireny, fa betsaka amin'ny mpanao fanatanjahantena malagasy no matianina. Ny fangatahana ny hametrahana ny sata maha-matianina ireo atleta mendrika izany indrindra no nisongadina, tao anatin'ny fandraisam-pitenenana nataon'i Hajanirina Harisoa Muriel, kapitenin'ny Ankoay, ekipa vehivavin'ny taranja basket-ball. Nandritra ny lahateniny ary no nanambaran'ny filohan'ny repoblika, Andry Rajoelina, fa ezaka hotanterahina izany ary handray karama araka ny sahaza azy avy ireo atleta voasokajy ho matianiana.

Tanteraka ny fanamby

Noraisin'ny filoham-pirenena teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha moa androany ireo atleta nandrombaka medaly nandritra iny lalaon'ny Nosy iny. Nisaotra azy ireo, izay nitondra avo ny voninahi-pirenena, ny filoha sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena sady filohan'ny komity mpikarakara ny lalaon'ny Nosy (COJI), André Haja Resampa. Notolorana fisaorana nandritra izany ihany koa ireo minisitra mpiahy ny taranjam-panatanjahantena tsirairay. Nody ventiny ny rano nantsakaina, hoy ny filoham-pirenena, satria tanteraka ny fanamby napetraka dia ny hahavoalohany an'i Madagasikara. Isan'ny notsiahivin'ny filoha fa tamin'ny taona 1993 i Madagasikara no nahazo medaly volamena farany tamin'ny lalaon'ny Nosy, teo amin'ny taranja baolina kitra. Izao anefa dia miverina amin'i Madagasikara indray ny medaly volamena, ankoatra ireo hafa azo tamin'ny taranja maro isan-karazany toy ny fibatana fonjamby, ny haiady, ny basketball sns.

Fankasitrahana ireo mendrika

Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fotodrafitrasa ihany koa ny filoha Andry Rajoelina, satria tena ilaina izy ireny, hoy izy, amin'ny fandraisana lalaom-panatanjahantena goavana. Nambarany fa vita tsara tokoa ny kianjan'Alarobia amin'izao fotoana izao ary atolotra ny federasionan'ny taranja atletisma ny fitantanana izany.

Eo amin'izay fanomezana izay hatrany dia nanolotra fankasitrahana ho an'ireo atleta mendrika rehetra ny fitondram-panjakana, ka nanolotra lelavola 5 tapitrisa ariary isaky ny medaly azo, ho an'ireo nahazo medaly volamena. 3 tapitrisa ariary isaky ny medaly kosa, ho an'ireo nandrombaka medaly volafotsy raha 2 tapitrisa ariary no fankasitrahana azon'ireo nibata medaly alimo.
Marihana fa jerena avokoa izay medaly azon'ny tsirairay. Isaky ny medaly izany ilay Prime exceptionnelle. Raha nahazo medaly volamena 2 miampy volafotsy iray izany ohatra dia mahazo 13 tapitrisa ariary.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires